· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Venezoela tamin'ny Febroary, 2011

Venezoela: Miakatra ny tranganà Kôlera

  07 Febroary 2011

Nandritra ny fampakarambady iray natao tany amin'ny Repoblika Dominikana, nisy vondron'olona Venezoelana nahitàna valan'aretina Kôlera taorian'ny fihinanana sakafo voaloton'io aretina io. Raha 13 ireo trangatamin'ny voalohany dia nitombo be izany tao anatin'ny andro vitsy monja; ireo tatitra farany dia miresaka ny olona 135 efa nahazo fitsaboana noho ity Kôlera ity.