HORONANTSARY: Hanenika an'i Amerika Latina ve ny “onja maitson'ny” zo hanala zaza any Arzantina ?

 

Niteraka resabe momba ny zo ara-pananahana manerana an'i Amerika Latina ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalan-jaza nanan-tantara tany Arzantina tamin'ny volana Desambra 2020. Hanenika iny faritra iny ve ny “onja maitso” any Arzantina, ary hitondra fanovana araka ny lalàna sy fihetsika manoloana ny fanalan-jaza ve izany?

Tamin'ny 9 Martsa no nandeha mivantana ity dinidinika mafana niresahana momba ity lohahevitra ity tamin'ny teny espaniola ary ilay toniandahatsoratra ao amin'ny Global Voices Amerika Latina Melissa Vida no nandrindra izany ka ireto avy no nandray anjara:

  • Anette Eklund, mpandika teny sady mpanangana votoaty, mpanao gazety, mpampianatra, mpikatroka ary mpisolo vava ho an'ny demokrasian'ny fiteny sy ny zon'olombelona; mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ihany koa .
  • Vienna Herrera, mpanangom-baovao amin'ny haino vaky jery marolafy ho an'ny fampahalalam-baovao Contracorriente any Honduras, nifantoka amin'ny olana momba ny miralenta, ny zon'ny lahy sy ny vavy ary ny zo ara-pananahana, ny fitrandrahana ala, ny tontolo iainana ary ny rafi-pahefana; mpikambana ao amin'ny ekipan'ilay tetikasa “Land of Resistants” [Tanin'ny mpifandàna] ihany koa, tafakatra famaranana ho an'ny Premio Gabo 2020.
  • Gabriela Mesones Rojo, Venezuelan journalist specializing in gender and human rights, editorial coordinator of Caracas Chronicles and Cinco8; also a contributor and researcher on Global Voices’ Civic Media Observatory.
  • Gabriela Mesones Rojo, mpanao gazety Venezoeliana manampahaizana manokana momba ny miralenta sy ny zon'olombelona, ​​mpandrindra ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny Caracas Chronicles sy Cinco8; mpandray anjara sady mpikaroka  ao amin'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices ihany koa.
  • Giselle Carino, mpahay siansa ara-politika Arzantinianina sady mpikatroka, Tale Jeneralin'ny IPPFRHO (Federasiona Iraisampirenena ho an'ny Fandrindrana Ara-piterahana, Faritra Ilabolantany Andrefana), izay rafi-piainana ara-boajanahary feminista sy liam-pandrosoana ahitana fikambanana mpiara-miasa miisa 26 eo an-toerana, avy any atsimo ny ankamaroany. Ny iraka ataon'i Giselle dia ny hitondra fanovana sady ho mpitarika mahay mitaona hitondra fiovana mankany amin'ny fitovian'ny miralenta manerana ny Atsimo manontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.