Tantara mikasika ny Venezoela tamin'ny Avrily, 2019
Venezoela: Blogstock faharoa
Nandritra ny roa andro, nivory faharoa izay fanao isan-taona ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana [ES] tao amin'ny toerana iray lavitry ny renivohitra mba hanao fety miaraka amin'ny tarika mozika sy ny toaka. Blogstock no anaran'ny "fety". Tsy misy ny famelabelaran-kevitra na symposioma fa fetibe ao anatin'ny fiarahan'ireo mpinamana nomerika fotsiny izany.
Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia
Tantosa soa aman-tsara ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.
SARIPIKA : Nitohy nanerana an’i Venezoela ny hetsi-panoherana
Nitohy tany amin’ireo tanandehibe Venezoeliana maro ny fihetsiketsehana nokarakaraina sy notarihin’ireo mpianatra ny ankamaroany. Feno ny sarin'ireo fihetsiketsehana ireo ny tambajotra sosialy ary indrindra fa ny Twitter.
Zava-misy mampatahotra sa zava-poronina mahavariana?
Tonga ny fizarana fahatelo amin'ny andiany "tarazo, matoatoa, devoly sy ny tahotra", ary mijery ivelan'ny sisintanin'i Amerika Latinina isika amin'ity indray mitoraka ity.
Venezoela: Mpisera Twitter notanana noho ny fampielezana vaovao ” manakorontana”

Ny 14 Martsa 2013, notanan'ny manampahefana Venezoeliana i Lourdes Alicia Ortega Pérez satria voalaza fa "nisandoka ny mari-panondroan'ilay manampahefana tao amin'ny Sampan-draharaha Mahaleontena amin'ny Fisoratana Anarana sy ny Nôtera " ary nandefa hafatra tao amin'ny Twitter izay noheverina fa "manakorontana ny firenena".
Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana ny mpitarika ny hetsika “SOS Venezuela”

Ny takarivan'ny 7 mey, nosamborin'ny Sampan-draharahan'ny Fitsikilovam-pirenena Bolivariana ao Venezoela (SEBIN, fanafohezan-teny amin'ny teny espaniola) tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Caracas ilay mpahay toekarena sady mpikatroka zon'olombelona Rodrigo Diamanti, ary nentina tany amin'ny foiben-toeran'ny SEBIN.
Venezoela: Miroso ny lalàna mifehy ny aterineto, na dia misy fiovana aza

Ny lahatsoratra farany, izay tafaporitsaka tao amin'ny aterineto, dia mbola ahitana ny fitsipika milaza fa tompon'andraikitra amin'ny votoaty rehetra azo idiran'ny mpiseraserany ny mpamatsy tolotra aterineto ary tsy maintsy manana rafitra mba hamerana ireo hafatra voaràran'ny lalàna.
Fanangonana tahirin-kevitra momba ny mety hisian'ny sivana amin'ny tranonkala any Venezoela

Manangom-baovao momba ny fanakanana tranonkala any Venezoela ireo mpanoratra ato amin'ny Global Voices -- ary mila ny fanampianao izy ireo.
Venezoela: Nampiadi-hevitra be ny lalàna mifehy ny aterineto

Volana maromaro taorian'ny nielezan'ny tsaho, nohamafisina tamin'ny zoma lasa teo fa manomana fanavaozan-dalàna ny governemanta Venezoelana mba hifehezana ny fidirana sy ny fampiasana ny aterineto ao amin'ny firenena.
Venezoela: Niely ny resabe noho ny fanakanana tranonkala nataon'ny governemanta

Herinandro vitsy lasa izay, nitatitra ireo namana sasany mpisera Twitter Venezoeliana fa tsy azo nidirana tamin'ny alalan'ireo fifandraisana omen'ny Cantv (orinasa fifandraisan-davitra lehibe sady mpamatsy aterineto, an'ny governemanta Venezoeliana) ny quelacreo.com (NSFW).