Tatitra Unfreedom Monitor : Venezoelà

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan tam-pitiavana

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Venezoelà tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno.

Hatramin'ny 2007 ny demaokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra tao Venezoelà no efa nohelingelenin'ny sivana henjana ary ny fampihenana ny fisarahan'andraikitra sy ireo tetikady araka ny lalàna natao hamelezana ireo media mahazatra sy tsy miankina, hany ka zary lasa toy ny tsy misy izy ireny. Ao anatin'izay toejavatra izay, ny anjara toeran'ireo media nomerika sy sôsialy dia singa fototra ho entina mandingana ny fanjakazakàn'ny governemanta amin'ny gazety an-tsoratra sy ny haino vaky jery, ary handosirana ireo sivana apetraky ny fanjakana venezoeliàna.

Kanefa, nisy tranga iray hafa nivady amin'ny fampiasana fitaovana nomerika ho entina mamaly bontana ireo famoretana: ny fampiasàna ireo fitaovana fampahalalam-baovao nomerika ireo ihany ho entina mamoritra ny olompirenena. Io no vokatry ny  “tsy refesimandidy an-tambajotra.” Ny fampiasàna ny media nomerika mba hiantohana ny fahafahana mahazo vaovao dia novalian'ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanaovana fampielezankevitra fandisoana vaovao, ny fanakanana ny aterineto ary ny fanenjehana araka ny lalàna ireo mpanao gazety sy mpikatroka manao fanadihadiana momba ny governemantan'i Maduro, na miteny ny resaka hamehana noho ny maha-olona. Tsy ireo mpanao gazety sy ireo mpiaro zon'olombelona ihany no idonan'ny fibahanana ny aterineto sy ny sivana: fehezin-dry zareo ihany koa no sady tampenany vava ny adihevitra sy fomba fijerin'ny daholobe, ny fanelezana ireo fomba fisainana malalaka sy marolafy, ary elingeleniny ny asan'ireo pôlitisiàna avy amin'ny fanoherana, ireo mpiaro zon'olombelona, ireo mpiasa miahy ny maha-olona, ireo mpikatroka sy olontsotra manana ny lazany ary ireo olompirenena amin'ny ankapobeny izay mametra-panontaniana sy miampanga ny asan'ny fitondràna venezoeliàna.

Nanova ihany koa ny tontolon'ny pôlitika sy ny sôsialy ao Venezoelà ny fanarahamaso tsy voamarina araka ny lalàna, ny fifehezana amin'ny jadona atao ireo olompirenena sy ny fampiasàna ny teknôlôjia mba hanodinkodinana ny vokatry ny fifidianana, no sady nametraka fanarahamasom-panjakana iray mifantoka amin'ny fanenjehana sy ny fanaovana ho toy ny devoly ireo feo rehetra avy amin'ny fanoherana.

Ny tena antony manosika ny jadona nomerika ao Venezoelà dia ny famoretana ireo mpisehatra avy amin'ny mpanohitra ara-pôlitika sy ireo feo tsy mitovy hevitra, ary ny fanelezana fampielezankevitra ho entina manamarina sy mandiso ny fanohanana ny governemantan'i Maduro, ary ny fampiasàna ny teknôlôjia ho fandisoana ireo isa marobe amin'ny fanohanana tahaka izany. Amin'io lafiny io, nampiasaina ihany koa ilay rafitra famantarana mba hanavahana ireo mpanohana sy mpanakiana an'i Maduro.

Hatrany amin'ny voalohandohan'ny 2000 tany no efa nodiana tsy fantatra ny feon'ireo Venezoeliàna mpanohitra, na nisinisy ihany aza ny fandrindràna pôlitika sy sivily nanoherana ny tsirefesimandidy fanaon'i Chávez sy Maduro. Tsara ho marihana fa samy manambany sy manenjika avokoa ireo rafitra ara-pôlitika sy sivily ry zareo mpitandro filaminana sy ny andrim-panjakana ara-dalàna manerana ny firenena.

Vakio ato ny tatitra feno

The Unfreedom Monitor

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika ny Unfreedom Monitor.

Hitroka PDF momba ny tatitra Venezoelà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.