Tantara mikasika ny Venezoela tamin'ny Mey, 2019
Venezoela: Nahafatesana olona miisa telo ny hetsi-panoherana ary nihamafy ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao

Manao fihetsiketsehana mba hitakiana ny famotsorana ilay mpianatra nosamborina tamin'ny hetsi-panoherana teo aloha izay nifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tsy fahampian-tsakafo ny Venezoeliana. Voarara tsy hitatitra ny hetsi-panoherana ny fampitam-baovao.
Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana”

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón Sayago.
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.