Kiadin'ny Fitenenana kaontinantan'i Amerika miatrana manoloana ny fivoaran'ny teknolojian'ny fitsikilovana

 

Vehivavy iray mampiasa ny findainy any Ciudad Barrios, El Salvador. (O)SCAR RIVERA/AFP tao amin'ny Getty Images)

Sombin-tatitry ny IFEX volana Jolay 2022 kaontinantan'i Amerika izy ity, naverina navoaka sy nasiam-panovana ato amin'ny Global Voices Advox araka ny fifanarahana fiaraha-miasa samy media. Tambajotram-pikambanana manerantany miaro ny fahalalahana maneho hevitra ny IFEX (International Freedom of Expression Exchange). Jereo ato ny tatitra feno.

Nampiasaina ho vahaolana iadiana amin'ny heloka bevava ny teknolojia ao Amerika tato anatin'ny taona vitsivitsy izay. Nahazo fanakianana betsaka anefa io fironana amin'ny fitadiavam-bahaolana amin’ny alàlan’ny teknolojia ataon’ny governemanta io. Tsy mahafeno ny fenitra fototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona ny famolavolana sy ny fampiasana ilay fitaovana sy ny fanamarinana fa ilaina amin'ny ady amin'ny heloka bevava izy ireny ​​raha toa mivadika ho rafitra manani-bohitra izay manangona sy mitrandraka angondrakitra tsy ampy mangarahara ny hetsika amin'ny fananganana tanàndehibe “marani-tsaina” kokoa. Amin'ny tranga maro, mampiasa teknolojia vaovao ny fitondrana tsirefesimandidy hanitsakitsahana ny fitanan-tsiambaratelon’ny olom-pirenena, miantraika amin'ireo vondrom-piarahamonina mpifindra monina, mpanao gazety, mpiaro ny zon’olombelona ary mpanohitra politika.

Nanamarika ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa niasa mafy ny governemanta tamin'ny fametrahana rafitra fanaraha-maso faobe sy famantarana endrika tsy misy fakan-kevitra na fandraisana anjara avy amin’ny daholobe ary mampiasa teknolojia novolavolaina ivelan'ny faritra.

Anisan'ireo tranga fampiasana teknolojian'ny fitsikilovana niteraka adihevitra ny raharaha Pegasus tamin'ny fiandohan'ity taona ity nahazoan’ilay Fampahalalam-baovao any Amerika Afovoany El Faro loka noho ny fanadihadiana notarihan'ny fiaraha-mientan’ny fikambanana mpandala ny zo nomerika (anisan'izany ny Access Now, Citizen Lab ary Social TIC). Naneho ny ahiahiny lalina ihany koa ny Fitsarana Iraisan’ny Amerikana misahana ny Zon'olombelona ary nandrisika ny governemantan'i El Salvador hanokatra fanadihadiana. Nanao sonia fanambarana iraisan’ny rehetra tamin’io fotoana io ireo vondrona mpiaro zo nomerika, miantso ireo rafitra iraisampirenena sy isam-paritra mba handray fepetra maika.

Mitohy miparitaka any Arzantina, Brezila ary Ekoadaoro ny teknolojia fanaraha-maso mampiasa angona biometrika, araka ny tatitra vao haingana nataon’ny mpikambana ao amin'ny IFEX, ADC (izay manana ny fanafohezan-teny midika hoe “Fikambanan'ny Zo Sivily” amin'ny teny Espaniola). Asongadin'ilay tatitra ihany koa ireo orinasa ao ambadik'ireny fitaovana ireny izay heverin'izy ireo ho “mampidi-doza” miaraka amin'ny fanaovan-dalàna sy fanaon'ny governemanta manimba ny zon'ny vahoaka. Nanamarika ny ADC fa mitohy miparitaka ny fampiasana ireo teknolojia ireo ary manamafy izy ireo fa tena iankinan'ny ain-dehibe ho an’ny vahoaka amin'ny ankapobeny mihitsy ny ampahafantarina sy mahafantatra ireny fisantaran'andraikitra ireny, sy ireny fampihatra miteraka olana miaraka aminy ireny.

Indraindray, niteraka fandresena bitika ny fiampangana sy ny fanadihadiana amin’ny fampiasana ny teknolojia eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe sy ny fanararaotana amin’ny fanangonana angondrakitra. Izany no nitranga vao haingana tany Però, izay nanaovan'ny fikambanana ao an-toerana HiperDerecho miaraka amin'ny Access Now fikambanana iraisam-pirenena tsy mitady tombontsoa fitarainana (fitoriana) ka nitarika ny kaominin'i La Victoria ho voasazin’ny ny manampahefana nasionaly miandraikitra ny fiarovana ny angondrakitra tamin'ny 14 Jolay noho ny fikirakirana angona manokana azo tamin'ny alàlan’ny fakantsary fitsikilovana.

Nahitana fandresena ho amin'ny fitanan-tsiambaratelo ihany koa tao amin'ny tanàndehibe roa ao amin'ny kaontinanta : São Paulo, Brezila (tamin'ny volana Martsa) sy Buenos Aires, Arzantina (tamin'ny volana Aprily). Nandrara ny tsy tokony hampiasaina ny famantarana endrika ny fitsarana ao an-toerana, nanome fanantenana ho an’ny mpikatroka fa mety hahita fanapahan-kevitra mitovy amin'izany izy ireo any amin'ny faritra hafa.

Nanome ohatra iray manaitra i Etazonia tamin'ny fiovana mahery vaika tontosan'ny fanaovan-dalàna manome rariny ny mpiaro ny fitanan-tsiambaratelo. Nampaneno ny lakolosy fanairan'ny fampiasana angondrakitra ara-pananahana amin'ny aterineto ny fandravana ny didim-pitsarana fantatra amin'ny raharaha ifampitorian'i “Roe sy i Wade,” izay nanafoana ny zo hanala zaza amin'ny maha zo araka ny lalàm-panorenana azy. Amin'ity raharaha ity, nandrisika ny fankatoavana ny volavolan-dalàna “My Body My Data” ny Electronic Frontier Foundation (EFF, fikambanana tsy mitady tombontsoa any Etazonia) ao anatin'ny IFEX, mba “hiarovana ny fitanan-tsiambaratelo sy ny fiarovana ireo olona mitady fitsaboana ara-pananahana”.  Manaraka ny fanadihadiana notarihan'ny mpikambana miisa telo ao amin'ny Kongresy ihany koa izy ireo momba ny fanangonana sy fivarotana an-jambany ny angondrakitra ataon'ny mpivaro-drakitsoratra.

Arahan'ny fikambanana maro ao amin'ny kaontinantan'i Amerika maso koa tato anatin'ny taona vitsivitsy izay ireo fanaraha-maso nomerika ankalamanjana ary ifantohan'ny fanentanana maro sy ny fikarohana lalina. Namoaka tatitra momba ny fampiasana algôritma manara-maso ny faritra an-tanàndehibe sy ny fiantraikan'ny fanaraha-maso ankoatra ny fitanan-tsiambaratelo ao Venezoela sy Bolivia ny mpikambana IFEX Derechos Digitales. Ary tamin'ny taona 2021, nanatevin-daharana ireo fikambanana maromaro ny Derechos Digitales, anisan'izany ny mpikambana IFEX Fundación Karisma, ARTICLE19 Mexico sy Central America, R3D, ary FLIP, hanairana ny saina momba ny fampiasana ny fitsirihana an'aterineto, ny fanaraha-maso ny fihetsiky ny olona amin'ny aterineto ataon'ny polisy sy ny manampahefana hafa.

Miha-miroborobo ny fomba fanao sy ny teknolojia fanaraha-maso ao amin'ny kaontinantan'i Amerika. Na izany aza, miezaka manara-maso ireo fivoarana ireo ny fikambanana eo an-toerana sy iraisampirenena, manao fanentanana ary mitolona hahazo fandresena ara-pitsarana mba hamerana ny fiantraikany ratsy eo amin'ny vondrom-piarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.