Fidirana ao amin'ny angon-drakitry ny “Unfreedom Monitor”

Image courtesy Ivan Sigal.

Fisantaran'andraikitra Advox ny Unfreedom Monitor handalinana ny fahatakarantsika ny fifandraisan'ny teknolojia sy ny fahefana tsy refesi-mandidy.

Tamin'ny dingana voalohany amin'ity tetikasa ity, dia nitondra famakafakana ireo trangan-javatra, fomba fitantarana, ary zavatry ny fampitam-baovao, mba hanazavana ny asan'ny tsirefesimandidy ankihy sy ny lahateny manodidina azy ireo ny mpikaroka miasa any amin'ny firenena miisa 11 ary lohahevitra manan-danja efatra no itondrana izany. Nampiarahana sy nanohanana gazety fampahafantarana [pdf], fandalinana tranga araka ny firenena sy lohahevitra ary andiam-pitantarana ity fikarohana ity.

Mifototra amin'ny fomba fiasan'ny Civic Media Observatory ao amin'ny Global Voices ny famakafakana.  Fantarina sy zohian'ny mpikarotra ireo lohahevitra fototra sy lasitra fitantarana mipoitra manodidina ny hetsika, ny fironana ary ny tranga hafa. Ka mampiasa fomba famakafakana mitovy amin'ireo firenena rehetra sy ny tokotanin-tsehatra araka ny lohahevitra ireo mpikaroka ahafahany mitondra herim-pampitahana amin'ny asany.

Misorata anaraha hahazoana ny Undertones, ny taratasim-baovaon'ny Civic Media Observatory

Ravoravo ankehitriny ny Advox mizara ny angon-drakitra izay manohana ity fikarohana momba ny teknolojia sy ny tsirefesimandidy ity. Abaribarin'ny angon-drakitra ny fifandrohizana eo amin'ny teknolojian'ny fanaraha-maso ampiasaina hanamafisana ny fitondrana tsirefesi-mandidy sy ny filazana fa misintona sy manodikodina ny hevitra sy ny fihetsiky ny mponina ny governemanta.

Ampiantranoana ao amin'ny Airtable ny angon-drakitra ary manolotra varavarana maro ho an'ny mpamaky liana sy ireo mpikaroka liana amin'ny fisavasavana ny fifandraisana ao anatin'ireo angona ireo. Tsindrio eto raha te-hahita antsipiriany amin'ny fomba itetezana ireo angon-drakitra.

Ahanjahanjan'ny angon-drakitra ny fifandraisana misy eo amin'ireo trangan-javatra, sombim-pampitam-baovao, fitaovan'ny haino-vaky-jery, fomba fitantarana, lohahevitra, teknolojian'ny fanaraha-maso, olona sy vondron'olona mitovy fahalianana ary toerana. Ohatra, amin'ny fisavasavana ny fiantraikan'ny lasitra fitantarana iray, azon'ny ny mpamaky ny mitendry mba hijerena hoe iza no olona/vondron'olona mitovy fijery amin'io lasitra io ary avy eo dia manohy mijery izay fitantarana hafa nambarany. Azo atao ny mijery raha azo ampiharina amin'ny firenena mihoatra ny iray ny lasitra fitantarana, ary, raha izany, inona avy ireo singam-pampitàna maneho izany.

Natao teo anelanelan'ny Janoary sy Marsa 2022 ity dingam-pikarohana Unfreedom Monitor ity. Noraketinay ny zava-nitranga momba ny fampiasana teknolojia entina mifehy na manimba ny zo any Brezila, Ekoadaoro, Ejipta, India, Maraoka, Myanmar, Rosia, Sodàna, Tanzania, Torkia, ary Zimbaboe. Nosavasavanay ihany koa ireo lohahevitra efatra mifampidimpiditra: fitantanana angon-drakitra, kabary, fidirana ary torohay.

Natomboka tamin'ny Jona 2022 ny dingana faharoa izay nampiana firenena vaovao: Ekoadaoro, Tanzania, Venezoelà, El Salvador ary Hongria. Hasianay fanavaozana ny angon-drakitra ho an'ny daholobe mandritra ny fotoana anaovana ny fikarohana.

Miangavy misorata anarana hahazoana ny taratasim-baovaonay, [Ity herinandro ity ato amin'ny Advox].


Miangavy tsidiho ny pejin'ny tetikasa hahitana sombin-dahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.