Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Oktobra, 2017
Fifidianana Filoham-pirenena ao Shily; Amin'ny 15 Janoary ny Fihodinana Faharoa
Andro iray tena mampientanentana ho an'i Shily androany, satria Shiliana maherin'ny 6 tapitrisa no hifidy filoha, loholona ary solombavambahoaka.
Shily: 27 Ora Itiavana
"...ary tsy misy tanjona afa-tsy ny firaisankina amin'ireo ankizy, ny fanangonana ara-bola hanampiana ireo ankizy manana fahasembanana, ny fampiroboroboana ny kolontsain'ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena..."
Shily: “Mpitsikilo Pelaka , Vono An'olona Ary I Henry Kissinger”
Vao haingana no navoakan'ny Arisivan'ny Fiarovam-pirenena Amerikana ampahibemaso ny antontan-taratasy iray hitan'i Monica Gonzalez, mpanao gazety Shiliana mpanao fanadihadiana ary azon'ny besinimaro jerena ao amin'ny oniversite UNIACC ao Santiago, Shily
Bilaogin'ny Skoto Shiliana
Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.
Fampitàm-Pampianarana Amin'ny Alalan'ny Bilaogy
Manome hery ho an'ireo mpampianatra, izay tafasaraka amin'ny jeografian'i Shily ireo blaogy miditra amin'ny sehatry ny fanabeazana, mba hifaneraserana amin'ny fomba izay tsy dia azo natao teo aloha.
Tsy Manambola Hianarana Ao Shily
Tamin'ity herinandro ity, noho ny fahadisoan'ny fandaminana ny angon-tahiry, nomena ho an'ireo mpanankarena nisoratra anarana ny fampindramam-bola avy amin'ny governemanta ary koa ny fanampiana ara-bola ho an'ny fianaran'ireo mpianatra kely fidiram-bola.
Bilaogera Shiliana: Inona no Nitranga Tamin'ny Bilaogy Ara-politika?
Ny ankamaroan'ny kabary ara-politika dia momba ny demokrasia ifarimbonana, saingy nahoana izy ireo no tsy mampiasa bilaogy ho sehatry ny politika ifarimbonana?
Bilaogy Vaovao Ifarimbonana, Feo Shiliana Vaovao
Teraka tamin'ny herinandro lasa teo tany an-tanànan'i Arica ny bilaogy vaovao ifarimbonana voalohany ao Shily, “El Morrocotudo”. Efa nahasarika fisoratana anarana 200 avy amin'ny faritra rehetra any Shily ny bilaogy natsangana vao haingana.
Bilaogy Sy Labiera Miaraka Amin'i David De Ugarte
Nitsidika an'i Shily i David De Ugarte (ES), bilaogera malaza iray ao amin'ny tontolon'ny bilaogy teny Espaniola . Izy no mpanorina ny Las Indias Electrónicas (ES) sady mpamorona ny Cyberpunk (ES). Alina vitsy lasa izay, nizara fotoana niaraka tamin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fanasana malalaka i David, mba hahafahan'ny rehetra manatrika izany.
Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'i Carlos Toledo
Manazava ny fomba nanombohany nifandray tamin'izao tontolo izao, ny antony nanohizany, ary ny fanantenany hampivelatra ny fampianarana manan-danja mikasika ny fandraisa-peo manerana an'i Shily i Carlos Toledo, mpandray rakipeo Shiliana .