Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Oktobra, 2010
Lahatsary: Mifandimby mamaky Don Quixote an-tserasera
Nitsanga-ko velona, amin'ny alalan'ny Youtube indray, ny iray amin'ny tantara foronina be mpitia indrindra, Don Quixote. Anjatony ny nanolo-tena hamaky ny sombintsombin'ny asa-soratr'i Miguel de Cervantes' ity ary mampakatra ireny ao amin'ny fantson'ny ElQuijote.
Chile: Namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina ny ankamaroan'ny gadra Mapuche
Tamin'ny faha 2 Oktobra , taorian'ny fifanarahana lehibe niaraka tamin'ny governemanta Siliana, gadra Mapuche miisa 25 izay voatazona tany am-ponja tao amin'ny tanànan'i Concepción, Angol, Temuco ary Valdivia, no namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina izay naharitra 82 andro. Na teo aza izany, gadra Mapuche miisa 14 izay voatazona sy nampidirina toeram-pitsaboana tany Angol, Victoria, Cholchol ary Temuco no mbola nanohy ny fitokonana [es].