Bilaogy Vaovao Ifarimbonana, Feo Shiliana Vaovao

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Teraka tamin'ny herinandro lasa teo tany avaratry ny tanànan'i Arica ny bilaogy vaovao ifarimbonana voalohany ao Shily, “El Morrocotudo”. Efa nahasarika fisoratana anarana 200 avy amin'ny faritra rehetra any Shily ny bilaogy natsangana vao haingana. Ny lohahevitra mahaliana ifantohana dia mikasika ny olana ao an-toerana ao Arica sy ao amin'ny firenena Shiliana ary koa ny olana iraisam-pirenena.

Mpianatr'ilay Senatera Fernando Flores, izay nampiroborobo tamim-pivitrihana ny bilaogy ho ampahany amin'ny fampianarany ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tarapacá no nampiroborobo ity tetikasa ity. Anisan'ny mpianatra ao amin'ny Foiben'ny Mpanombo-Draharaha vaovao ao amin'ity oniversite ity, izay naorina tamin'ny taona 2001 ny sasany amin'ireo mpianatra.
Tao anatin'ny 15 taona, nanomboka tamin'ny vanim-potoana mpametra tamin'ny governemanta miaramila (1973-1990), afaka nampivelatra ny asany tamin'ny fomba mahaleotena hatrany hatrany ireo mpanao gazety. Na izany aza, niova nankany anatin'ny tontolo tsy mazava ny fanovana ny fomba amam-panao amin'ny asa fanaovan-gazety. Nanakatona ny bilaoginy vao haingana i Mauricio Hoffman, mpanolotra vaovao malaza amin'ny fahitalavitra taorian'ny tsy fifankahazoan-kevitra momba ny fandalinany manokana momba ny media, izay nahatonga adihevitra mikasika ny bilaogy sy ny maha-izy azy teo amin'ny vahoaka .

Etsy andaniny, saika ny 90%n'ny tsenan'ny gazety no an'ireo orinasa roa lehibe: Copesa (mpamoaka ny “La tercera”, “La Hora”, “La Cuarta”, “Siete mas siete”) sy ny El Mercurio ( miaraka amin'ny “El Mercurio”, “Las Ultimas Noticias” sy ny “La Segunda”). Izany toe-draharaha izany no nandrisika ireo vondrona mpanao gazety mavitrika nanangana bilaogy mba hiresaka ireo lohahevitra tsy tian'ny media efa misy havoaka.

Amin'izao fotoana izao, manana ny rafitra RSS azy manokana ao amin'ny votoatin-dahatsorany - ho an'ny gazetiboky momba ny tanora, “Zona de Contacto” ny tsenan'ny gazety, El Mercurio.  Avy any Copesa, misy ireo bilaogy hanaovana fizarana ara-panatanjahantena ao amin'ny “La Tercera” sy ny gazety be mpividy indrindra “La Cuarta”, na izany aza, tsy misy ny olana lehibe.

Blaogy vaovao iray hafa, “Lanalhue Noticias”, notontosain'ny olona liana tao an-toerana no niseho vao haingana tany Cañete, tanàna kely iray maherin'ny 2 000 maily atsimon'i Arica; na dia tsy mitovy amin'ny “El Morrocotudo” aza, afaka maneho hevitra fotsiny amin'ny lahatsoratra, fa tsy mandefa lahatsoratra ny vahoaka.

Natsangana ny bilaogy vaovao Shiliana avy eny ifotony “El Morrocotudo” sy ny “Lanalhue Noticias” mba hanolotra vaovao amin'ny fomba fandraisana anjara samihafa ary hanome safidy hafa ahafahan'ny olon-tsotra mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny olan'ny firenena.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.