Bilaogera Shiliana: Inona no Nitranga Tamin'ny Bilaogy Ara-politika?

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanoratra i Roberto Arancibia, bilaogera fanta-daza ao Shily fa folo andro sisa dia ho tonga ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera ary tokony hafampàna ny bilaogy politika, saingy … .nahoana no tsy izany ry zareo?

Manaiky ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra fa tsy hitan'ny daholobe na hoe koa “sangany” ny bilaogy. Nilaza i Maria Elena fa “tsy liana amin'ny politika ny tanora”, raha mihevitra kosa i Christian fa tsy dia manana tohan-kevitra resahana ny kandidà, ka tsy mila mampiasa bilaogy izy ireo.

“Mampiasa ny bilaogin'izy ireo ny mpanao politika mba handefa lahateny sy filazana an-gazety”, hoy i Angela. Ary Pato M indray nilaza fa “satria faran'ny taona izao”.

Mihevitra i Carlos Valencia fa mahazatra ny mpanao politika no tara amin'ny famaliana ireny revolisiona kely ireny. Nilaza izy sy Nadia fa tsy misy kandidà manome demaokrasia ifarimbonana tena izy, raha nanoritra kosa i Carlos  fa tsy maintsy “manao famahoana ny demaokrasia” isika.

Ny ankamaroan'ny kabary politika dia momba ny demaokrasia ifarimbonana, saingy nahoana izy ireo no tsy mampiasa bilaogy ho sehatry ny politika ifarimbonana?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.