Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Janoary, 2012

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...

Lahatsary Asongadina: Mpitolona, Fahafahana Maneho Hevitra, Olona ary Kolontsaina

Ity fanadihadiana ity dia mikendry ny hampahafantatra ny hafatra faramparany ato amin'ny Global Voices izay mampiseho fomba maro fa manampy ny olona hilaza ny tantarany manerana izao tontolo izao ny Lahatsary.  Afaka manaraka ny zava-miseho isaky ny faritra ianao ao amin'ny Fantsona YouTube-nay na manindry fotsiny ny rohy eo ambony. Afovoany...

Chili : Manambatra ny hery hanavotana ny torapasik'i Concon ny mponina

Taorian'ny vinavina nataon'ny orinasa Renaca Concon SA hanangana trano goavana eo anivon'ny torapasik'i Concon [es] dia nisedra ny hatezeran'ny mponina any an-toerana ity orinasa ity, mponina izay tapa-kevitra fa hiaro ny tontolo iainana any Chili. Kanefa tamin'ny 27 desambra 2011 dia nitranga ny nofy ratsy : voahodidina fefy ny toerana...

Shily : Firehetan'ny Valanjavaboarim-pirenena Ao Torres del Paine Niteraka Fahatafintohinana

Firehetana iray mahatsiravina no niteraka fahatohinana teo amin'ireo Shiliana mpiondana aterineto izay naneho ny ahiahy, ny hatezerana, ny alahelo ary ny fanantenan-dry zareo ny mba hifehezana haingana izany firehetana izany tany anatin'ireo tambajotra sosialy. Ny lohahevitra nironana betsaka, "Torres del Paine" sy ny tenifototra #salvemostorresdelpaine (ndeha hamonjy an'i Torres del...