Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Septambra, 2016
Namorona Emojis Ho Azy Manokana Ny Mponina Tompontany ao Amerika Latina
Nandray an-tànana ny famoronana emojis mifanaraka amin'ny kolontsaina samihafa izay azo ampiasaina amin'ny fifandraisana elekitronika ho fomba hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny tenin-drazany ny mpikatroka nomerika miaro ny tenin'ny tompontany manerana an'i Amerika Latina.
Miaro ny “Zo Hianatra Filozofia” any an-tsekoly ny Shiliana
Tony ratsy ao anaty mason-drivodoza ny fanabeazana Shiliana sy ny fananana lojika fototra taorian'ny soso-kevitra avy amin'ny Minisitry ny Fampianarana hampiditra ny taranja filozofia ho ao anatin'ny taranja fanabeazana mahaolom-pirenena.
Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao
Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.