Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Novambra, 2018

Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina

Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Ireo bilaogera nanohitra ny fanakorontanan'ny mpandroba tamin'ny 1 Mey

(Lahatsoratra tamin'ny mey 2006) Mankalaza ny voalohany Mey isan-taona ny Foiben'ny Vondron'ny Mpiasa (CUT), manerana ny tanàndehibe ao amin'ny firenena. Tao Santiago, nanomboka vao maraina niaraka tamin'ireo mpiasa rehetra ny diabe am-pilaminana tany Alameda, iray amin'ireo làlana lehibe indrindra ao an-drenivohitra. Nandray fitenenana avy eo ny solontena ambonin'ny CUT, Arturo...