· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Septambra, 2017

Shily: Andron'ny Tanora Mpiady

  25 Septambra 2017

Nandritra ny vanim-potoanan'ny mpanao didy jadona tao Shily, nisy namono ry Rafael sy Eduardo Vergara mirahalahy. Niady tamin'ny governemanta izy ireo. Nanomboka tamin'izany, nisy ireo fikambanana sasany tany Shily nankalaza ny andron'ny "tanora mpiady".

Vehivavy Filoha Voalohany Ao Shily

  21 Septambra 2017

Mientanentana be i Shily. Sambany nisy vehivavy voafidy ho filoham-pirenena ary miresaka momba izany izahay; eny an-dalambe, amin'ny radio, amin'ny fahitalavitra ary amin'ny bilaogy.

Gadra Nanjavona 48 Hita Tamim-pahadisoana

  18 Septambra 2017

Toeram-pasana iombonana ny "Tranobe 29" , ao amin'ny Fasana Faobe (ES) ao Santiago renivohitra. Tamin'ny taona 1991, gadra tsy hita miisa 124 nandritra ny didy jadona Augusto Pinochet no hita ary fantatra ny 96 tamin'izy ireo. 20 taona taty aoriana, nanana fahafahana handevina ny havany tsirairay avy ny fianakavian'ireo 96.

Fomban-drazana Shileana Tsy Hay Hazavaina

  16 Septambra 2017

Ity no andro voalohany ho anao ao amin'ny anjerimanontolo. Tsapanao any anatinao any ny fanantenana rehetra . Mahatsiaro ho mirehareha amin'ny maha-anao anao ianao satria nandalo ny fanadinam-pirenena, izay manome anao ny teboka ilainao mba hidirana any amin'ny oniversite. Vaovao avokoa ny zava-drehetra : ny endrika, ny toerana, ny fifampiresahana, ny fofona, ary ny olona

Ny Fahamaizan'ny Diego Portales

  12 Septambra 2017

Tsia, tsy olona velona i Diego Portales. Manana fahatsiarovana ara-tantara maro ao anatin'io rindrina io ity tranobe Shiliana iray ity. Hatramin'ny nahatongavan'ny demaokrasia teto amin'ny fiainanay, tamin'ny taona 1998,  nampiasaina ho foibe fototra hanaovana fanisam-bato sy fanambarana ny vokatra ofisialin'ny fifidianana ity tranobe ity.

Shiliana Bilaogera Miresaka Ny Korontana Ao Bolivia

  05 Septambra 2017

Resaka tsy fifankahazoan-kevitra goavana tsy voavahan'ny governemanta sy ny mpanohitra mba hahatakarana ny fomba fisainan'ny andaniny sy ny ankilany no fototry ny toedraharaha mahatsiravina .... mahatonga ny firenena ho tavela toy ny mpangataka mitorevaka eo ambony volamena mivangongo.