· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Janoary, 2018

Ilay Vehivavy Voalohany Voafidy Ho Filoha Tao Shily

Nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Shily i Michelle Bachelet , fiarahan'ny elatra afovoany ankavia, nahazo vato 53,49% izy niohatra tamin'ilay kandida mpifaninana taminy, ilay mpandraharaha Sebastian Piñera izay nahazo vato 46,50% avy amin'ny elatra afovoany ankavanana araka ny vokatra ofisialy

23 Janoary 2018

Shily: OLPC sy ny Politika 2.0

Tena gaga ireo bilaogera Shiliana hatramin'izao amin'ilay solosaina finday 100 dolara Amerikana, OLPC. Saingy ahoana no hahatongavan'ny fitaovana vaovao, natao hamenoana ny hantsana nomerika any Shily? Inona no idiran'ny solosaina finday amin'ny politika?

23 Janoary 2018

Vondrona Ara-poko Shiliana: Fandrosoana Mamely Ny Zon'ny Teratany?

Efa ela talohan'ny fibodoana Espaniola no teto ireo vondrona ara-poko teratany Shiliana ,ary nanomboka tamin'izany sy hatramin'izao, miaro ny zon'izy ireo any amin'ny faritra samihafa izy ireo. Ankehitriny, miaro ireo tany nipetrahany nandritra ny taonjato maro manoloana ny fampandrosoana ny firenena izay mety hanohintohina ny fomba fiainany ry zareo.

22 Janoary 2018

Hetsika Ara-politika Vaovao: Chile Primero

Nitsangana ny hetsika ara-politika vaovao, Chile Primero [ES]  noho ny tsy fahafaham-pon'ny olom-pirenena tamin'ireo mpanao politika sasany. Manohana ity hetsika ity izay hotontosaina amin'ny 12 Mey i Fernando Flores [ES], Jorge Schaulsohn sy Esteban Valenzuela [ES].

20 Janoary 2018

Volamenan'i Pinochet: Lasan'ny Rivotra

Ny herinandron'ny novambra 2006, nahatonga ny bilaogera hanoratra ny vaovao mikasika ny fampiasam-bolan'ny Pinochet amin'ny volamena, tsy ireo bilaogera avy any Shily ihany no niresaka izany fa avy amin'izao tontolo izao koa.

18 Janoary 2018