· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Oktobra, 2018

Shily: BiblioRedes, avy ao Visviri mankany Puerto Williams

  24 Oktobra 2018

Fandaharanasa avy amin'ny fanjakan'i Shily ny BiblioRedes, izay manome fidirana maimaim-poana amin'ny solosaina sy aterineto ho an'ny tranomboky miisa 387 manerana ny firenena. Manome fahafahana manokana ho an'ireo Shiliana any amin'ny faritra tsy dia voasolo tena loatra mba hianatra ny fomba fampiasana solosaina sy aterineto ity fahafahana miditra aterineto ity. Singa iray mamaritra ity fampiofanana ity ny fahafahan'izy ireo manokatra ny tranonkalany manokana. Afaka jerena ao amin'ny blaogin'ilay tetikasa Contenidos Locales (Vontoaty Eny An-toerana) ny tena mahaliana amin'ity vontoaty ity.

Ilay Resabe Momba ny Charango

  18 Oktobra 2018

Tato ho ato, natolotra ho fanomezana ny charango maro. Nanolotra iray tamin'izany an'i Condoleeza Rice i Evo Morales, nanome iray ho an'i Bono ihany koa ny Filoha Shilianina, nipoitra àry ny adihevitra momba ny ''toetra manokana ara-moraly'' ananan'ity zavamaneno ity.