· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Jolay, 2012

“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.

Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana

  16 Jolay 2012

Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra  tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka norafetina ilay lalàna taorian'ny diabe nataon'ireo mpianatra tao Santiago ny 28 Jona 2011, fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika...

Shily: Tsy Manan-kialofana Ao Santiago

  09 Jolay 2012

Ao Santiago, Shily, tahaka ny any amin'ny tanna maro manerana ny tany, mety ho vanin-taona mahafaty ho an'ireo tsy manan-kialofana ihany koa ny ririnina. Amin'ny alàlan'ny saripika, Alejandro Rustom, mpiara-miasa ao amin'ny Demotix dia mampibaribary ny tena zava-misy iainan'ireo tsy manan-kialofana ao an-drenivohitra Shiliana sady manasongadina ny fomba entin'ireo olom-pirenena hanampiana azy ireny