Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Barber Show : Andian-tantàra Anaty Tranonkala, Ahitàna Olompirenena Maro, Ary Feno Hatsikana Momba Ireo Afrikàna Am-pielezana Ao Parisy

Capture d'écran d'un extrait de la série web "Barber Show"

Pikantsary tamin'ny ampahan'ilay andian-tantàra anaty tranonkala “Barber Show”

“Raha miboridana ny lehilahy iray, holazaina ve fa hoe mpivarotena?”

Feno fehezanteny mandona ao anatin'ilay andian-tantàra fandefa ety anaty tranonkala “Barber Show“, ity farany ity izay naseho nandritry ny ampahany iray miresaka ny fijery manavakavaka atao amin'ny vehivavy, ao anatin'ny sehatry ny orinasa misahana fampisehoana. Entin'ny ” Barber Show”, noforonin'i Hugues Lawson-Body, isika ho any amin'ny tanàna ‘Afro’ iray ao amin'ny boriborintany faha-10 ao Parisy. Noraketina hànana endrika fanadihadiana ilay andian-tantàra, tao aminà trano iray fikarakarana volo, ny Lucky Coiffure, izay manome lanja betsaka ny endriky ny volo toy ny fifandraisana sosialy teraka ao.

Babs no mitantana ny Lucky Coiffure, safiotra ganeana-nizeriana mpanety volo  izy ary ampian'ilay nàmany Gaye, izay matetika manafàna ny fifanakalozan-dresaka samihafa sy marolafy miaraka amin'ireo mpanjifan'ilay trano fikarakarana volo.  Hugues Lawson-Body, mpamokatra ilay andian-tantàra, dia teratany Togole mpakasary ary monina ao Parisy hatramin'ny fahazazàny.  Efa nitety izao tontolo izao ny talentany sy ny lazany, izay nakàny sary ireo olona tena malàza, miainga avy amin'i Spike Lee, tonga hatrany amin'i Jean-Marie Le Pen. Saingy ny lohahevitra tena ankafiziny dia mijanona ho ny fakàna sary ireo tanora ao Parisy, endriky ny fiverenana an-doharano ho an'ity zanaky ny làlan'i Parisy maoderina ity. Toy izany no nahitàny ny Lucky Coiffure sy ilay fiarahamonina keliny ahitàna olompirenena samihafa. Fanapahankeviny ny handrakitra anaty lahatsary ny fiainana andavanandron'ilay trano fikarakarana volo, ka hifantoka amin'ireo fifanakalozandresaka mafonja momba ny fiarahamonina. Ampahany enina no efa voarakitra ary voaresaka ao daholo ny lohahevitra rehetra, hatramin'izay maivana, toy ny fifampiandanian'i Jay-Z sy Kanye West, ka hatramin'izay mavesatra indrindra, jerena avy amin'ny lafy rehetra ahitan'ireo efa zatra mpankao amin'ilay trano fikarakarana volo azy izany rehetra izany.

Mazàna no anaty fiarahana an-kafaliana toy ny an'ny zaza, maivana saingy indraindray koa henjankenjana ihany. Izany no nitranga tamin'ilay ampahany feno fihetsehampo noraketina tamin'ny 13 Novambra 2015 nandritra ireo fanafihana tao Parisy.

Manam-pitiavana roa aho” no lohatenin'ilay ampahany. Ao amin'ny tranon'ny Lucky Coiffure no manomboka ny tantara, izay iarahan'ireo nàmana sy mpanjifa mijery baolina ifananandrinan'i Alemàna sy Frantsa. Avy eo ny vaovao momba ireo fanafihana tonga mivoaka eo amin'ny fàfana ary dia kenda ny rehetra.  Géraldine, izay miasa aminà hopitaly iray, no mitantara ny fomba niainany ireo fanafihana ireo, ny tahony sy ny zavatra nataony. Manontany i Babs raha toa i Géraldine nametraka saina frantsay teo an-davarangany. Nolazain'i Géraldine fa tsy mila mametraka saina izy hanaporofoana ny maha-frantsay azy. Hitan'i Babs mianga avy any nony avy eo ny adihevitra momba ny fahasamihafàn'ny fandrakofana vaovao momba ireo fanafihana mitranga eran'izao tontolo izao, any Nizeria, Libanona. Manazava izy :

Monina aty Frantsa aho, izay rehetra mihatra amin'i Frantsa dia mihatra amiko akaiky. Tsy midika izany fa hoe tsy mangoraka aho rehefa any Afrika izany no mitranga, fa ny elanelana no mahatonga hoe tsy mitovy ny zavatra tsapanao

1 tapitrisa mahery ireo mpisera amin'ny aterineto no nahita io ampahany io. Ampahany iray hafa no mifantoka amin'ny fomba fitafin'ireo amerikàna mainty manana ny lazany eo amin'ny tontolon'ny fandraharahan'ny fampisehoana. Heverin'i Gaye fa mety ho hafa ny lazan'i Beyoncé raha hafa ny fomba fiatafiny. Nanazava taminy ilay namany fa i Beyoncé, raha mitafy tahaka io, dia miaro ny zon'ny vehivavy ho afaka hitafy araka izay tiany:

Afaka mitafy manaitaitra ianao satria manana fandraharahàna iray mila arovanao, saingy miaro ihany koa ny lanjan'ny vehivavy izy. Raha miboridana ny lehilahy iray, holazaina ve fa hoe mpivarotena?

Inona no tsiambaratelon'ny fahombiazan'i Barber Show ?

Manana ny heviny i Hugues Lawson-Body

Fikambanana iray ao an-tanàna io, karazana klioba sosialy iray. Mpitsabo, mpamily, mpisolovava, mpandraharaha, nàmana, samy efa zatra ny mifankahita ao rehefa hariva avy miasa. Toy ny nosikely iray ihaonan'ny fangorahana sy ny hanihany io, mahafinaritra ny fiarahana ary tsara fandray isaky ny mankao aho, velombelona isaky ny mivoaka avy ao. Resahana ny zavatra rehetra, hatramin'ny fomba amam-panao na irao lohahevitra izay indraindray « clichés ». Ireo go (vehivavy), ny fanavakavahana, sy ny hoe iza amin'izy roalahy amerikana mpiangaly rap no tena hanamarika ny vanimpotoana niainany, Jay-Z sa Kennie West…hatramin'ny « marabouts » mihitsy aza.

Ampiany hoe:

Vondrom-piarahamonina iray tsy dia misy miresaka firy no asehon'ilay andian-tantàra. Ny hijoro vavolombelona amin'ny fisian'io harena ara-kolontsaina io no tanjona.

Manana ny heviny manokana ireo mpisera amin'ny aterineto, momba ny fahombiazan'ilay andian-tantàra.

Mpankafy i Sofiane Mourier :

Ho ahy dia hevitra lafatra iray ny “barber show”, lohahevitra matotra no resahanareo amin'ny fanampiana tsironà hanihany kely ao anatiny, tena ankafiziko mihitsy io karazana fandaharana io ary antenaiko hitohy sy haharitra ela.

Ho an'i Marie Tsama, ny Barber Show dia fitaratry ny fiainany amin'ny maha-Afro Pariziana azy :

Ianareo no ohatra maneho izay rehetra manetsika anay. Fiadànana, Fifaliana ary Firaisantsaina. Misaotra betsaka ry Rahalahy Sy Ranabavy isany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.