Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Septambra, 2015
‘Antso Ho Amin'ny Fitiavana Sy Fangorahana’: Tian'ny Ben'ny Tanànan'i Barselona Raha Mba Mandray Mpitsoa-ponenana Ireo Tanàndehibe Ao Espaina
Taorian'ny nampalaza be tao amin'ny Aterineto ny fanehoankevitra iray nataon'ilay ben'ny tanànan'i Barselona, Ada Colau tao amin'ny Facebook, lasa drafitry ny tany tontolo ny hamorona tambajotranà tanàna fialokalofana ao anatin'ny kirizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eorôpa
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Japoney Maro No Gaga Fa Vitsy Ny Mpitsoa-ponenana Eken'ny Fireneny Raisina
"Izay rehetra manohana ny demokrasia parlemantera mifototra amin'ny lalàm-panorenana dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny zava-tsarotra mahazo ireo mpitsoa-ponenana."
Niteraka Fahatezerana Manerantany Ilay Mpanao Gazety Hongroà Nandaka Syriana Mpitsoa-ponenana
Hita mazava tsara mandaka ankizy roa nihazakazaka miaraka amin'ny ray aman-dreniny i Laszlo ao anatin'ny lahatsary. Ary mamingana lehilahy lehibe iray miaraka amin'ny zanany izay nianjera avy eo
Siriana Mpitsoa-ponenana Maniry Fanangonam-bola Ho An'ny Toeram-pisakafoanany Ao Brezila
Manao izay hanatanterahana ny nofinofiny vaovao Breziliana ilay Syriana mpitsoam-ponenana Talal Al-Tinawi, amin'ny fanangonana famatsiam-bola mba hanokafana toeram-pisakafoana Syriana-Libane, mba hizaràna ny fitiavany mahandro amin'ireo eo an-toerana.
Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria
Amin'ny tehaka no andraisan'ireo Aotrisiana sy Alemà izay mitondra, tsy ny hatsaram-panahiny ihany, fa mitondra sakafo, rano madio mahasalama ary kilalao ihany koa ao amin'ny gara ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Aotrisy ho any Alemaina.
Dia Miaraka Amin'ireo Mpitsoa-ponenana Mamakivaky An'i Hongria Ho Any Eoropa
Arakaraky ny nitomboan'ireo takelaka be fampielezankevitry ny governemanta hanoherany ny antsoiny hoe 'mpifindra monina' sy ny ady atao hanoherana ny mpitsoa-ponenana, nanomboka nifantoka bebe kokoa amin'ny olan'ny mpitsoa-ponenana tsy voafehy ao amin'ny firenena ireo media Hongroà mpamoaka vaovao
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...