Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Novambra, 2015
Ara-drariny Ve Ny Fanomezan-doka Sarina Lehilahy Haitiana Mpifindramonina Mandro Nalaina Sary Tao Brezila?
" Ny tanjon'ny fampahalalam-baovao ao anatin'izany krizy izany dia ny hanery ny fanjakana mba handray fepetra, fa tsy hanohintohina ireo izay mila fanampiana indrindra.."
Fiatoan'ireo Mpitsoa-ponenana Tao Amin'ny Fiantsonan'ny Fiarandalambin'ny Fanantenana Ao Vienne.
Jeritodika mikasika ny zava-nitranga tao amin'ny fiantsonan'ny fiaradalamby foibe ao Vienne ny volana Septambra teo, roa volana nisian'ny herisetra mahafaty nandosiran'ireo mpitsoa-ponenana maro mba ho any Beirota sy Parisy.
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.
Seho Kanto Amerika Latina Ao Italia, Mitarika Fangorahana Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana Sy Mpifindra-Monina
Mitrandraka ny fifindràmonina amin'ny alalan'ireo karatra postaly kanto 125-n'ireo mpanakanto miisa 96 avy aminà firenena 14, ny MirgrArte Postale.
‘Aylan ho an'i Tajikistan': Ankizy Mpifindra Monina Iray Maty Teo An-tsandrin'ny Manampahefana Rosiana
"Umar! Ny fahafatesanao dia mari-pamantarana ny fahalemena sy ny tsy fahamarinan-toetra , Meteza ho mpitondra hafatra madion'ny fireneko eo anatrehan'Andriamanitra."
Taorian'ny Fanafihana Tao Parisy: Ho Firaisan-tsaina, Tsy Afaka Hifanavakavaka
" Rehefa niakatra sy nidina tao amin'ny Facebook, namaky ireo fihetsehampo, fijoroana vavolombelona, fomba fijery, antontanisa, hitako fa ireo olona avy amin'ny lokon-koditra rehetra no tena voadona tamin'ireo fanafihana, avy aminà zompirenana 15."
Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka
"Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany #SackTheSpeaker #HoldKeyAccountable"
Fiarahamonina Indizeny Miaina Zava-tsarotra Noho Ny Disadisa Ao Amin'ny Faritra Amerika Atsimo
Fizaram-paritra eo amin'ny 159,542 km toradroa (61,600 maily toradroa) eo no iadivan'i Goaiana sy Venezuela. Mizaka mafy ny vokatr'izany ireo vondrona indizeny.
Sekoly Iray Ao Etazonia Mampianatra Ireo Raim-pianakaviana Koreana ‘Ny Fomba Famihina’
Natsangana mba hanovàna ireo raim-pianakaviana mafy lamosina mba ho ray aman-dreny maneho fitiavana sy mandray andraikitra kokoa ny Sekolin'ny Raim-pianakaviana Duranno. Ahitana lesona iray ara-bakiteny momba "ny fomba famihina" ao anatin'ny fandaharam-pianarana.
Zava-misy Dimy Momba Ny Día de Los Muertos (Andron'ny Maty) Ao Meksika
Miha-mipoitra ao Etazonia ilay fety fankalazàna, toerana ahitàna vondrom-piarahamonina Meksikana betsaka.