Niteraka Fahatezerana Manerantany Ilay Mpanao Gazety Hongroà Nandaka Syriana Mpitsoa-ponenana

Petra Laszlo, protagonista del deplorable incidente. Imagen de la web RVF con licencia CC BY-NC 4.0

Petra Laszlo. Sary avy amin'ny habakat RVF, CC BY-NC 4.0 license

Nanjary iray amin'ireo olona hankahalaina indrindra ao amin'ny media sosialy ilay mpanao gazety Hongroà Petra Laszlo, taorian'ny fandefasana lahatsarary iray mampiseho azy mamingana sy mandaka mpitsoa-ponenana Syriana maromaro izay nandositra ny polisy tao Röszke, Hongria.

Tampoka tamin'ny Eoropeana ny krizin'ny mpitsoa-ponenana mba handaminana izany. Ary raha mbola very ao anaty adihevitra tsy misy fiafarana sy tsy mety tonga amin'ny fifanarahana ireo mpanao politika, mizarazara kosa ny olom-pirenena. Maro ny olom-pirenena manohana ny ezaka atao mba hanomezana fialokalofana ho an'ireo fianakaviana mandositra ny ady ankehitriny ary misy mihitsy aza ny sasany manome ny tranon'izy ireo manokana mba hampiantranoana ireo mpitsoa-ponenana. Ny maro hafa kosa na izany aza, mbola miahiahy ary mahita ity “firohotra” ity ho toy ny loza mitatao amin'ny fiarahamonina, ny kolontsaina, sy ny fivavahan'izy ireo. Nandrisika ireo tahotra isan-karazany momba ny mpitsoa-ponenana ihany koa ny governemanta mpandala ny nentim-paharazana ao amin'ny firenena Eoropeanina sasany, anisan'izany ny Filoha Hongroà Viktor Orbán, izay vao tsy ela akory niampanga ireo mpitsoa-ponenana Miozolomana ho mampidi-doza ny Kristianina ao Eoropa.

Miala ao Tiorka tonga ao Eoropa amin'ny alalan'ny “lalana Balkan,” mandalo ao Gresy, Makedonia, sy Serbia ireo mpitsoa-ponenana Syriana. Rehefa tafiditra ao Hongria, tazomina ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Röszke izy ireo, izay ambenan'ny polisy Hongroà mafy. Manantena hihazo an'i Alemaina ny ankamaroan'ny mpitsoa-ponenana, tsy noho izy firenena ahitana tombotsoa betsaka indrindra ao Eoropa, fa satria koa maro amin'izy ireo no manana fianakaviana na namana efa monina ao.

Maro tamin'ireo teny an-dalana hihazo an'i Alemaina ankehitriny no matahotra ny fampiharana ny Fitsipika Dublin, izay manery ny mpitsoa-ponenana hangataka fialokalofana na inona na inona firenena Eoropeana ahatongavan'izy ireo voalohany. Na dia efa nanaiky hampiato ny fampiharana ity fitsipika ity aza i Alemaina, tsy matoky ireo manampahefana ny mpitsoa-ponenana ka miezaka hihazo an'i Alemaina haingana araka izay azo atao mba tsy ho tratra eny an-dalana.

Naka sary ny iray amin'ireo fahatongavan'ny mpitsoa-ponenena marobe ireo ilay mpanao gazety Petra László, raha tratra tao anaty lahatsary ny fihetsika nataony niteraka resabe. Niparitaka be tao anatin'ny ora vitsy nandraketana azy ny lahatsary. Hita mazava tsara mandaka ankizy roa nihazakazaka miaraka amin'ny ray aman-dreniny i Laszlo. Avy eo, namingana mpitsoa-ponenana iray nitondra zazakely teo an-tsandriny i Laszlo, nahatonga ilay mpitsoa-ponenana nianjera niaraka tamin'ny zaza :

Manana fifandraisana amin'ny faran'ny ankavanana sady mpanohana ny antoko nasionalista Hongroà, Jobbik i Petra László, miasa ao amin'ny fantsom-baovao TV N1. Nandroaka an'i László avy hatrany ity fahitalavitra ity taorian'ny fivoahan'ny lahatsary tamin'ny aterineto. Tao anatin'izany, nanome fanehoan-kevitra marobe ireo mpiserasera, maneho ny hatezeran'izy ireo manerana izao tontolo izao;

Avy ao Torkia, Eyüp Gökhan Özekin manoratra hoe:

#PetraLaszlo Tena tsy mifaditrovana, andray ry “vehivavy” maharikoriko (!). Malahelo aho mizara ny planeta  miaraka aminao. Manantena aho fa hizaka ny nataonao ianao.

Tao Bruxelles, mampahatsiahy an'i Laszlo ny tantaran'ny korontana manokana tao Hongria i Marcel Sel :

Tsarovy, #PetraLaszlo, tokony ho anisan'ireo mpitsoa-ponenana Hongroà ireo ny ray aman-dreninao. #1956

Mamazivazy am-piesoesona ireo olon-kafa ao amin'ny fampahalalam-baovao ilay mpisera Twitter Espaniola malaza Señorita Puri :

Voaroaka ilay mpanao gazety Petra László noho ny fidarohana ireo mpitsoa-ponenana Syriana. Nandray an'i Petra László hiasa i Donald Trump.

— Señorita Puri (@SenoritaPuri) September 8, 2015

Ao Gresy, hentitra ny tenin'i dimbit:

Maniry anao ho faty miadana sy maharary aho #PetraLászló

Mpanao gazety Hongroà Szabolcs Panyi kosa nampiseho ny sarin'ilay lehilahy nanjera ny zanany izay teo an-tsandriny, noho i Laszio:

Ilay lehilahy nodakan'i  #PetraLaszlo. Fantatra fa nampijaliana teo ambanin'ny fitondran'i Assad izy ary nandositra ny ISIS izy

Tao amin'ny Facebook, mahery vaika avokoa ny feo rehetra. Nahazo fanehoan-kevitra tezitra an'arivony ireo lahatsoratra marobe momba ny zava-nitranga navoakan'ny tranokalam-baovao ao amin'ny tambajotra sosialy :

Belle Lindsay
Me alegro de que ya no tenga trabajo. Ahora debería quedarse sin casa, entonces quizás conocería la vida a la que se enfrentan muchas de esas personas

Faly aho fa tsy an'asa izy ankehitriny, tokony ho tsy manan-kialofana ihany koa izy. Avy eo, angamba mety ho fantany izany hoe fiainana hatrehin'ny ankamaroan'ireo olona ireo.

Maxine Millner
No puedo creer que una mujer haga daño intencionadamente a la gente de esa forma… una persona enferma y perturbada sin empatía, humanidad ni compasión. ¡Podemos pasar sin gente como ella en el mundo!

Tsy mino aho fa manao fanahy ianiana mandratra tanora tahaka izao ny vehivavy  … olona marary mikorontana tsy manana famindram-po, fiarahamiory na fiantrana. Afaka manao zavatra tsy misy olona tahaha azy isika eto amin'izao tontolo izao!

Rafael Eduardo Rodriguez
Que inhumana esa mujer periodista, deja mucho que desear como periodista y como persona…. Quisiera verla en la posición de esos pobres sirios y que alguien le hiciera lo mismo a ella.

Vehivavy mpanao gazety tsy mifaditrovana. Marobe ny tsy ampy aminy amin'ny maha- mpanao gazety sy olo-tsotra azy …. Te-hahita azy eo amin'ny toeran'ireo Syriana mahantra ireo aho ary mahita olona manao tahaka izany aminy

Angeles Alvarez Menendez 
Menos mal….ahora mandenla a Siria…a ver que le parece vivir bajo los bombardeos, o que le corten la cabeza porque es cristiana!

Misaotra ry lanitra … alefaso ao Syria izy ankehitriny mba hahita raha tiany ny miaina ao anatin'ny fanafihana na hahita azy ireo hanapaka ny lohany satria Kristianina izy!

Ao anatin'ireo feo mitsikera ity vehivavy ity, dia misy ihany koa ireo izay miaro azy, na dia amin'ny fanehoan-kevitra tsy tsara tahirinkevitra aza:

Tito Nochez
Si la personas estas sufren y todo pero ¿alguien se a dado cuenta de los destrozos que están haciendo en cada lugar que llegan? ¿Y el comportamiento tan basura que demuestran ellos ante la ayuda que la EU les ofrece? Sinceramente estas “personas” no son dignas de la ayuda que se les esta dando hasta cierto punto

Eny, mijaly ny olona sy ny rehetra, saingy tsy misy olona mahatsapa ny fahavoazana aterak'izany any amin'ny toerana ahatongavan'izy ireo? Ary ahoana indray ny amin'ny fihetsika mahatsiravina asehon'izy ireo amin'ny fanampiana izay omen'ny Vondrona Eoropeana azy ireo? Tsorina, raha itarina dia tsy mendrika ny fanampiana omena azy ireo ireo “olona” ireo.

Mampiseho mazava kokoa ny ahiahin'ny Eoropa momba ny firohotry ny mpitsoa-ponenana vaovao ihany koa ity tranga ity. Namela ity fanehoan-kevitra ity ny mpamaky iray ny gazety Frantsay antserasera 20minutes.fr :

Il va falloir que l'UE explique sérieusement à ces pays de l'ex bloc de l'est que nous avons des valeurs en occident. Je pense à la Hongrie et à la Pologne, par exemple qui n'acceptent aucun réfugiés par contre ils acceptent tout à fait les subventions européennes. A partir d'aujourd'hui ce devrait être réfugiés et subventions ou pas de réfugiés et pas de subventions.

Tokony hazavain'ny Vondrona Eoropeana tsara amin'ireo firenen'ny vondrona Tatsinanana taloha ireo fa manana ny hasiny isika aty Andrefana. Mino aho fa ao Hongria sy Polona, ohatra, tsy mandray mpitsoa-ponenana mihitsy izy ireo, saingy mandray fanampiana am-pifaliana avy amin'ny Eoropeana. Manomboka izao, tokony ho mpitsoa-ponenana sy fanampiana izany na tsy misy mpitsoa-ponenana dia tsy misy fanampiana.

Nandefa fialan-tsiny tamin'ny taratasy misokatra i Laszlo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.