Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Oktobra, 2012

31 Oktobra 2012

Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac

Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona...

27 Oktobra 2012

Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany

Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i Meksika ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany manana mpifindra-monina very na nisy naka an-keriny mba hitady ny zanany izay tsy hita popoka raha...

19 Oktobra 2012

Etazonia: Tolona ho An'ny Tanora Mpifindra-monina Tsy Manana Taratasy

Tanora mpifindra-monina tsy manan-taratasy an'hetsiny no faly tamin'ny vaovao nivoaka: Nanome alalana ny governemantan'ny filoha Barack Obama fa afaka  misoratra anarana amin'ny “tetikasa mbola miandry” ireo tanora mpifindra-monina tsy mana-taratasy, izay ahafahan'izy ireo mamaha ny olany ao anatin'ny roa taona. Ireto avy no fepetra takiana amin'ilay tetikasa [es]: 31 taona mahery nanomboka...

Ejipta: Ireo Olona Tsy Manana ny Zom-pirenena ao Ejipta

Ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Ejypta dia ireo olona tsy manana firenena niavina (tanindrazana). Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), 12 tapitrisa mahery ireo olona tsy manan-tanindrazana manerantany. Indraindray afangaro amin'ny mpitsoa-ponenana ny olona tsy manan-tanindrazana. Na dia izany aza, maro amin'ireo olona tsy manan-tanindrazana no...

15 Oktobra 2012

Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany. Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny...

09 Oktobra 2012

Hetsik'ireo Grika Mpandàla Ny Fanjakan'ny Baroa Manohitra Ny Fanavakavaham-bolonkoditra, Atao An-tsary

Natao tany afovoan-tananan'i Atena tamin'ny sabotsy 1 Septambra teo ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Mpanao fihetsiketsehana anjatony maro, indrindra ireo mpandala ny fanjakan'ny baroa, no nivondrona hanohitra ny zava-nitranga niseho tato ho ato toy ny herisetra, izay mahafaty mihitsy aza, ny fanafihana atao amin'ireo mpifindra monina.