Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Desambra, 2012
Fiainana Ara-pananahana Tapa-kofehy, Endriky Ny Vehivavy Breziliana Maneran-Tany?
Nandritra ny fandaharana "Fitsarana Jamba?" tamin'ny fahitalavitra tao Portiogaly, ilay Lehiben'ny Mpisolovava (Batonnier) ao amin'ny holafitry ny Mpisolovava ao Portiogaly, Marinho Pinto, dia nanambara fa "ny zavatra iray isan'ny be indrindra fanondran'i Portiogaly dia ny Mpivarotena". Goavana tokoa ny fiantraikan'izay tety anaty aterineto, ary nanoloana ny resabe tahaka izany, voaresaka indray ny sary sy ny fitsaratsaram-poana mahazo ny vehivavy breziliana manerana izao tontolo izao.
Ny Fahasarotan'ny Fitadiavana Fandriampahalemana Miaraka amin'ny M23 any RDC
Ahiana hiitatra ny fifanandrinana misy ankehitriny any amin'ny faritra Kivu ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (DRC). Sarotra ny manadihady ity kinovan'ny taona 2012 amin'ity fifandirana ity, indrindra moa fa hetsika mitam-piadiana mora miova, toerana [itobiana] sy politika, ny M23.
Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila
Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça...
Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina
Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina...
Mpiasa An-Trano Malagasy Naolana sy Nampijaliana Tany Libanona
Noteren'ny nenintoany hifindra ho any Libanona hiasa an-trano i Marie, 14 taona. Rehefa tonga tany izy dia zary fahazarana ny nanolanan'ny mpampiasa azy. Rehefa fantany fa bevohoka izy dia noroahiny. Rehefa niteraka irery izy, dia natsipiny avy eny amin'ny rihana fahavalon'ny fanorenana avo ny zaza.
Mandrehitra Ny Resaka Momba Ny Fanavakavahana Ny Raharaha “Kuku” Any Portiogaly
Nandrehitra ny resaka fanavakavahana sy ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bala any Portiogaly ny fanambaràna famotsorana ho anà polisy portiogey iray namono nahafaty an'i Kuku, ankizilahy kely, 14 taona, tao amin'ny tànana iray be mponina ao Grand Lisbonne tamin'ny 2009, niteraka fanehoankevitra maro samihafa nanakiana ny fitsaràna portiogey tety anaty tambajotr sosialy.
Ady Amin'ny Fanondranana Olona Ao Etazonia
[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra] Noho izy anisan'ny hetsika nasionaly “Miaraka isika Rehetra“, izay najoron'ny National Domestic Workers Alliance (Firaisankinan'ny Mpiasa An-trano Manerana ny Firenena), sy ny Dinika Nasionalin'ny...
Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana
Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray...