Mandrava Ny Fitsaratsara-Poana Ara-kolontsaina sy Ara-pirazanana Mihatra Amin'ny Amerikana Latina Anaty Vazivazy

Screen Shot 2015-09-15 at 18.36.05

“Efa nataoko ho adidiko ny manazava ny fahadisoan-kevitra iheveran'ny maro ny oloko. ‘Ny oloko maha-Latino, fa tsy menaloha. ‘Lazaina fa devoly ry zareo.’ Nasehon'i Joanna Hausmann ny fahasorenany amin'ny fitsaratsarana an-tendrony ataon'ny olona amin'ny Latinos ao Etazonia, nandritra ny andian-tsarimihetsika nataony “Joanna Rants.” Pikantsarin'ny fantsona Youtube FLAMA.

Mety ho fomba iray mahaliana handinihana ny zavamisehon'ireo vondron'olona mifindra monina mankany amin'ny firenena manankarena kokoa ny vazivazy, ka lasa zandriolona any ry zareo. Ohatra velona amin'izany toe-javatra izany indrindra ny Amerikana latina monina any Etazonia ka hitan'ny tambajotran'ny televiziona amin'ny teny espaniola Univision ny tsena mety hahazoambola : taranaka mbola tanora, manana kolontsaina roa amin'ny ankapobeny. Matetika ahitana taranaka faharoa sy fahatelo amin'ny mpifindra monina ireo mpijery ireo ary tena amin'ny fampiasana ny haino aman-jery vaovao.

Natomboky ny Univision, tambajotra natao ho an'ny lahatsary fohy mampihomehy ny Flama. Azo jerena amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny Hulu sy YouTube irery ihany ny votoatin'ny Flama ary miresaka lohahevitra toy ny fomba fiaina, fanatanjahan-tena, mozika, ary indrindra fa ny tantara fampihomehezana izy. Ny fampihomehezana no fivoy fanazavana ny fahasamihafana ara-kolontsaina eo amin'ny Latinos sy ny Etazoniana, sy ireo hevi-diso, fitsaratsaram-poana ary fitsarana an-tendrony.

Ny teny Anglisy no tena mibahana amin'ireo lahatsary – matetika miaraka amin'ny dikantsoratra – ary natao ho an'ny mpijery tanora liana amin'ny kolontsaina Amerikana Latina. Ahitana fijoroan'ny Flama matanjaka ihany koa ao amin'ny Twitter, Facebook, Instagram, ary ny Google+.

Na dia ny saranga antonony Amerikana Latina aza no tena asongadin'ireo lahatsary, ary tsy mametraka olana amin'ny fanavakavahana iaretan'ity vondron'olona isankarazany indrindra ao Etazonia ity, misy ny sehatra hitsikerana ny fitsaratsaram-poana sy ny fitsarana an-tendrony ratsy mieli-patrana, izay matetika aparitaky ny fiarahamonina Amerikana Tavaratra momba ity vondrona ity. Ireto ny sasany amin'ireo olana  mampiasa vazivazy sy hatsikana :

Ny olana iainan'ireo Amerikana Latina vaovao ao amin'ny birao, vokatry ny fahasamihafan'ny firafitry ny fianakaviana sy ny hevi-diso ara-kolontsaina sy ara-pitenenana :

Ny fahatezerana asehon'ny Amerikana Latina manoloana ny fitsarana an-tendrony ataon'ny Amerikana Tavaratra ho fanimbazimbana azy ireo :

Ny fitsaratsaram-poana fa leo mandre ireo namany sy olom-pantany Amerikana Tavaratra amin'ny toe-batan'izy ireo “ny “Latina fotsy” :

Toe-javatra mifandraika amin'ny fampifangaroana teny roa, indrindra ny fampiasana ny teny “Espanglisy” :

Fitsaratsara-poana ny vehivavy Amerikana Latina amin'ny fotoana idiran'izy ireo amin'ny fifandraisana mampihetsi-po:

Amin'ny fomba tahaka izany, mihantsy ireo vato misakana fanehoam-panondroana ireo Amerikana Latina ny Flama ary mampiseho ny fahamaroana sy fahasamihafana misy ao aminy. Tsy mahafantatra olana tahaka ireo nofaritana eo ambony ireo ny vondrom-piarahamonina lehibe ao Etazonia, saingy fanararaotana goavana hanapariahana ny tombotsoam-bahoaka ny fifampihaonan'ny kolontsaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.