Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Avrily, 2012

30 Avrily 2012

Kioba: Maneho Hevitra Momba Ny Famotsorana an'i Ferrer García Ireo Any Am-pielezana

Nafahana tao anatin'iny faran'ny herinandro iny ilay voafonja noho ny fnehoan-keviny , Jose Daniel Ferrer Garcia. Mitondra fanamarihana momba izay fivoaran-draharaha vao haingana izay ireo bilaogera any am-pielezana

29 Avrily 2012

Mpitsoa-ponenana: Media Sy Teknolojia An-tSerasera Hikarakaràna ny Mpitsoa-ponenana

Fikambanana roa samihafa no mifantoka amin'ny tombontsoa sy ny vokatsoa azo avy amin'ny fampiasana ny Media sy ny teknolojia an-tserasera ho entina manampy ny mpitsoa-ponenana hanatsara ny fiainany.

27 Avrily 2012

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia...

18 Avrily 2012

Iran: Mamadika Ny Pejin'ny Fanavakavaham-bolokoditra Atao Amin'ny Afgana

Naneho ny fahasorenany ny mpamahana bolongana raha nandre fa noraràn'ny manampahefana tsy hiditra ao amin'ny toera-pitsangatsanganana ny Afgana monina ao Ispahan, ao Iran nandritra ny fankalazana ny faha-13 andron'ny taombaovao  Nowruz  tamin'ny 1 Aprily 2012. Mahazatra ny olona ny mandeha mivoaka mitsangatsangana hanamarihana izany andro izany. Na dia nandà aza ny manampahefana iray...

16 Avrily 2012

Soeda: Mitsidika An'i Rinkeby, Ambany Tanàna Be Mpiavy Ao Stockholm

Malaza noho ny fahamaroan'ny mpifindra monina ao aminy ny fokontanin'i Rinkeby ao Stockholm, Soeda. Mitantara ny fitsidihany io faritra io izay mba te-hijerijery izany faritra izany. Monina any Stockholm ny mpanao gazety sy bilaogera Yemenita Afrah Nasser. Nanoratra momba ny nitsidihany voalohany an'i Rinkeby izy tao amin'ny hafatra bilaogy tamin'ny 6 Avrily 2012....