Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Novambra, 2012
Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”
Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.
Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar
An'arivony ireo olona niarahaba ny fitsidihana nataon'i Barack Obama noho izy nanoratra ny tantara amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Resahan'ny olona ny kabariny, ny politikany ary indrindra indrindra fa ilay oroka nomeny an'i Aung San Suu Kyi, lehibe mpitarika ny mpanohitra. Nampiasa ny tenifototra #Oburma mba hanaraha-maso ny fivahinianan'i Obama any Myanmar ireo mpikirakira aterineto.
Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza
Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo.
Rosia, Tadjikistan : Iza No Mahatsiaro Ho Tohina Amin'ilay “Torohay Ho An'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra”?
Naneho hevitra momba ilay «Torohay ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra» nivoaka tany Rosia ny sampana natao ho an'ny tanora ao amin'ny antoko "Parti démocratique populaire" ao amin'ny fitondràna ao Tadjikistan. Kanefa, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia mahita hoe mihevitra ny amin'ireo teratany tadjiks sy ny firenena niavian'ireny mpiasa mila ravinahitra ireny i Rosia.
“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia
Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó...
Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy
Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com...
Italia: Ho an'ireo Tanora Tsy An'asa, na “miseho ho sarotiny” na manao sesitany ny tena?
Ny fanambaràna vao haingana nataon'ny minisitry ny asa dia niteraka resabe sy nanainga adihevitra be momba ny tsy fananana asa sy ny zara fa asa ho an'ny tanora, izay mametraka koa ny olana hoe "Hanova ny firenena mba tsy hiovàna firenena”.
Kiobà: Nafoanan'ny Governemanta Ny Famerana Fandehanana Ho An'ny Olom-pirenena
Tamin'ny 16 Oktobra, no nanambaràn'ny governemanta Kiobàna ny drafitra hanafoanana ny famerana ny fandehanana mampisalasala ho an'ny olom-pirenena Kiobàna. Ampiharina amin'ny Janoary 2013 io politika io.