Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2014

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Septambra, 2014

Eorôpeana Latsaky ny 40 Taona ‘Mipetraka Any Amin'ny Firenena Hafa'? :Mihaino Anao Ny ‘Generation E’

Miantso ireo tantaran'ireo tanora Eorôpeana, izay miampita ny sisintany tsy hita maso an'ilay Tanibe fahiny, mba hamorona ny fiainany andavanandro any amin'ny firenena hafa, ny "Generation E".

Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana

Namoy ny ainy noho ny fahafatesan'ny ati-doha ilay Iraniana mpitady fialokalofana Hamid Kehazaei rehefa nijalin'aretin-drà izay aretina azony nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Aostraliana maro no naneho ny fiombonan'alahelo sy ny fahatezerana.

Surprising Europe, Tahala Miresaka Sy Misokatra Ho An'ny Mpifindra Monina

Sehatra an-tserasera mandray ny fijoroana vavolombelona sy ny lahatsarin'ireo Afrikana mpifindra monina. Tetikasa mihoatra ireo fitsaratsaram-poana sy mandrava ny rindrin'ny tsy fahalalàna mahazo azy ireo.