Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Mey, 2013
Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina
Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity seho ity satria mampanahy azy ireo ny ho avy, rahatrizay ka vita ny asa fanorenana ary tsy hisy intsony ny asa.
Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli
Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany
Vehivavy, Kongolezy Ary Minisitra Ao Anaty Governemanta Gaovao Italiana
Notsaohan'ny tontolon'ny bilaogy afrikana ny fanendrena an'i Cécile Kyenge, profesora mpitsabo avy amin'ny mpiavy, ho eo amin'ny toeran'ny Ministre de l'Intégration ao anatin'ny governemanta italiana.
Brezila : Fampanantenana Poakaty Nahatezitra ny Amazoniana Manamorona ny Rio Madeira
Ity tantaran'i Ana Aranha nitondra lohateny tamin'ny voalohany hoe Vidas em Trânsito na “Fiainana Mandalo“, izay miresaka momba ny fiantraikan'ny tetikasam-panorenana goavana manamorona ny reniranon'i Madeira ao amin'ny fanjakan'i Rondônia, Brezila, ity...