Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Marsa, 2018

Ny Zava-misy Mahafadiranovan'ny ‘Amerikana Tsy Nahy’

"Ao amin'ity tontolo mahafadiranovana ity, mitàna toerana manokana ianao... Tsy Amerikana any ampitan-dranomasina ianao, tahaka ireo 9 tapitrisa hafa. Tsy mbola nanana finamanana na fifandraisana amin'ny manampahefana Amerikana ianao. Tsy manana taratasy Amerikana afa-tsy ny taratasy fanamarinam-piterahanao ianao.."

Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

Ho an'ireo Palestiniana voaraoka tamin'ny taniny,  zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany

Kamerona: Ahiahy Amin'ny Fahalalahana

Na dia tsy fifantohan-tsain'izao tontolo izao aza i Kamerona, manontany ny tena fisian'ny fahafahana eto amin'ity firenena Afrikana ity ny sasany amin'ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana.

Diaben'ny Belza 10.000 Ho Fampanajana ny Zon'ny Mpifindramonina ao Bruxelles

Manohitra ny volavolan-dalàna mamela ny polisy hanao fisavana an-trano ikarohana ireo olona tsy manan-taratasy ny mpanao fihetsiketsehana, mitady ho zava-mahazatra loatra ny zavatra atahoran-dry zareo.

(Black in Tokyo) Mainty Ao Tokyo: Lahatsarim-Panadihadiana Momba ny Fiainana Ao Japana

Olona dimy no nozohin'ny filma, izay manana fiaviana hatrany Afrika Andrefana ka hatrany Etazonia, mitantara ireo fanamby ara-kolontsaina isan-karazany sy ireo tombontsoa azo araraotina amin'ny fiainana ao Tokyo, Japan

Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Scary Azeri

Tsy an-kihambahamba fa tonga dia mivantana avy hatrany , kanefa amin'ny fomba mahatsikaiky foana, vetivety dia lasa nalaza haingana ny bilaogy ary nisy mihitsy aza ny lahatsoratra no naverin'ny fampitam-baovao navoaka tany an-tanindrazany any Azerbaijan.