Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Jolay, 2009
Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian
Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .
Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana
Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19...
Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina
Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo.
Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy
Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh.