Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2015

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Mey, 2015

30 Mey 2015

Mifanjevo Ao Anatin'ny “Atin'akanjo Maloton'ny Paki” Ny Ara-nofo, Fivavahana Ary Politika

Nentin'ilay Pakistane metisy Amerikana, Aizzah Fatima, nitety izao karazan-toerana samihafa izao ny fampisehoana an-tsehatra lalaoviny samirery tato anatin'ny taona vitsy lasa. Na dia manafintohina ny sasany aza ny lohatenin'ilay fampisehoany. Lohateniny ny hoe : Atin'akanjo Maloton'ny Paki.

28 Mey 2015

Notazonin'ny Fiarovana Isiraeliana Ilay Arabo Amerikana Mpanao Gazety Nohon'ny ‘Nandraisany Fiaramanidina Nefa izy Miozolimana’

Nampahafantatra ny zavatra niainany tamin’ny "Fandraisana fiaramanidina raha toa ka Miozolimana" tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Tel Aviv ny Palestiniana iray mpanao gazety mizaka ny zom-pirenena Amerikana, Noor Wazwaz, milaza fa ny fanambaniana dia tsy manakivy azy hiverina indray.

26 Mey 2015

Sambon'Ireo Rohingya Mpitsoa-ponenana, Nolavin'i Thailand, Malezia Ary Indonezia

"Action on #Rohingya is a real test of character for #ASEAN. Are we compassionate or heartless nations?"

22 Mey 2015

Misaora Ny Fanjakana Ottoman Amin'io Taco Izay Haninao io

Ny Taco al pastor, sakafo Meksikana nentin-paharazana eny an'arabe izay malaza any Etazonia, dia manana fiandohana avy any amin'ny toerana iray mahazendana : ny Faritra Afovoany Atsinanana.

19 Mey 2015

Ho An'ireo Venezoeliana, Masoandro Miposaka Ahitàna Asa Ny Sisintany Breziliana

Ao anatin'ny fitontongan'ny vola bolivara Venezoeliana, miampita sisintany mba hiasa any Brezila ireo Venezoeliana ary avy eo miverina mody miaraka amin'ny tahiriny.

13 Mey 2015

Salvador: Iadian-kevitra Hatrany ny hoe Iza ao an-Tanàna no Mpifindra Monina Voalohany

Tanàna kely iray mivelatra amin'ny firenena roa i Intipucá, mafana ny adihevitra mikasika izay mpifindra-monina voalohany tao an-tanàna nankany Etazonia.

05 Mey 2015

Fihetsiketsehana Hanovana ny Politikam-Pifindramonin'ny Vondrona Eoropeana ao Strasbourg

Mitombo ny isan'ny rendrika sy ny maty amin'ireo mpifindramonina manavatsava an'i Mediteranea, fa tsy manao vonjy aina hatrany ny laharam-pahamehan'ny Vondrona Eoropeana.

Vaovao Tao Amerika, Te “Hamafa” Ny Lasany Ity Tanora Vietnamiana Mpitsoa-ponenana Ity

Anisan'ireo fianakaviana Vietnamiana an'arivony nandositra ny renivohitra Atsimomin'i Vietnam, Saigon ny fianakaviana Truongs. Nanorina fiainam-baovao tao Etazonia izy ireo. Efapolo taona tatỳ aoriana, niara-niasa tamin'ny StoryCorps i Thu-Thuy sy ny anadahiny, Sy mba hiresaka momba ny fahatsiarovan'izy ireo tamin'ny fipetrahana tany Etazonia.

04 Mey 2015

“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana

Mpikatroka sy mpitarika maherin'ny 1000 avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no nanambara ny heviny mikasika ny toetry ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena.

03 Mey 2015

Fiainan'ny Mpiasa Filipiana Ao Anatin'ny Hosodokon'i Antipas ‘Biboy’ Delotavo

Mampiseho ny fiantraika ratsin'ny fahantrana, ny fampijaliana, ny fanjanahantany sy ny tsy rariny ao Filipina ireo mpanakanto maneho kanto hita maso