Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Janoary, 2013

11 Janoary 2013

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.

08 Janoary 2013

varotra Vehivavy Iraisampirenena : Foanana Sa Arindra Ny Fampanofàna Tena? – Ampahany voalohany-

ONG roanjato avy amin'ny faritr'i Eoropa manontolo no nihaona tao amin'ny Parlemanta Eoropeana tao Bruxelles ny 4 Desambra teo. Nandefa antso iray izy ireo hanafoanana ny fampanofàna tena sady nanolotra ireo faritra iasan'ny politika eoropeana iray ho fanafoanana. Ho an'ireo mpangataka fanafoanana, ny fanaovana ny fampanofàna tena ho toy ny...

07 Janoary 2013

Mitagataga & Depardieu any Rosia

Akon'ny RuNet

Tamin'ny 3 Janoary 2013 i Vladimir Putin no nanasonia [ru] sombin-dalàna sivy vaovao (mifandraika amin'ny fifindra-monina ny ankamaroany) sy ny iray fanasoniavana ny didy fampiharana ny fanomezana zom-pirenena [ru] Rosiana ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Gérard Depardieu. Tsy manaitra loatra raha ity zava-nisy farany ity no tena noresahan'ny bilaogera sy ny mpanao gazety, na dia ekena...