Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Novambra, 2013
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.
Nahazo Loka Momba Ny Zon'Olombelona Ny ‘Las Patronas’ Noho Ny Famahanana Ireo Mpifindra-monina
Natolotra an'i Norma Vázquez Romero ny Loka Meksikana momba ny zon'olombelona 2013 noho izy ireo manome sakafo ho an'ireo mpifindra-monina avy ao Amerika Afovoany sy Meksika Atsimo handeha hoany Etazonia.
Nahataitra Ny Vokatry Ny Sarintsarim-Pifidianan'ireo Shiliana Any Ivelan'ny Fireneny
Mampiseho elanelana be mahavariana eo amin'ny vinavina'ireo mpandalina ny vokatra azo, izay mametraka an'i Michelle Bachelet ho mpandresy ary i Evelyn Matthei ho amin'ny toerana faharoa.
Etiopiana: #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Hampiato Ny Famoretana Mpifindra Monina
Nanomboka nampihatra ny famoretana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna i Arabia Saodita taorian'ny nahataperan'ny fe-potoana famelan-keloka nomena ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo. Mahatsiaro ho lasibatra ireo Etiopiana mpifindra monina.
“Avelao Ny Rosiana Ihany No Hamafa Ny Arabeny “: Mieritreritra Ny Momba Ny Herisetra Ara-Poko Ireo Vitsy An'Isa

Milaza ny fahitany ny savoritaka any Biryulyovo, ary mampiasa ny teny iraisan'ny maro - ny Rosiana- amin'ny aterineto ireo Rosiana tsy manana rà Rosiana.
GV Face: Nofinofy Amin'ny Fanovana Momba Ny Fifindra-monina Ao Etazonia

Niresaka tamin'ireo mpikatroka sy manampahaizana momba ny hetsika ho an'ny fanovana momba ny fifindra-monina izahay izay mety hisy fiantraikany amin'ireo mpifindra-monina eo amin'ny 11 tapitrisa eo izay tsy manana taratasy ara-dalàna monina ao Etazonia.
LAHATSARY: Lehilahy Saodiana Namono Mpiasa “Niresaka Tamin'ny Vadiny”
Niparitaka tamin'ny aterineto ny lahatsary iray ahitana lehilahy Saodiana midaroka mpiasa vahiny, niteraka fahatezerana noho ny fanararaotana ireo mpiasa ao amin'ny firenena izany.
Boliviana 100%: Lahatsary Momba Ny Fiainan'ireo Mpitsoa-Ponenana Ao São Paulo
Mampiseho ny fiainan'ireo taranaka faharoa Boliviana mpitsoam-ponenana ao afovoan'i São Paulo ny lahatsary fanadihadiana-fohy notontosain'ny mpiara-miasa aminay ao amin'ny Agência Pública.