Olo-malazan'ny Tantara Afrikanina Tsara ho Fantatr'izao Tontolo Izao: Richard Ratsimandrava

Pikantsary ny lahatsary fanadihadiana momba an'i Richard _Ratsimandrava tao amin'ny YouTube

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra momba ireo olo-malazan'ny tantara Afrikana tsy fantatry ny vahoaka ary mendrika ho fantarina kokoa araka ny hevitry ny tonian-dahatsoratry ny Global Voices. Hiezaka hampahafantatra tsara kokoa momba ireo olo-malaza ireo sy ny toe-javatra nivoaran’ izy ireo ity andian-dahatsoratra ity, saingy hiezaka ihany koa izahay hanao tsikera mikasika ny fomba nampahafantarina ireo olo-malaza ireo tamin'izao tontolo izao.

A) Ny zava-dehibe

Anarana: Richard Ratsimandrava
Daty nahaterahana: 21 marsa 1931
Asa: Kolonely teo amin'ny tafika, komandàn'ny zandarimariam-pirenena, Minisitry ny Atitany ary Filoham-pirenena.

B) Nahoana no tsara ho fantarina izy

Fantatra ho mpitondra ny hevitry ny rafi-pitantanana fokonolona ao Madagasikara, vaomieran'ny loholona ao an-tanàna ahitana ireo mpikambana samihafa avy amin'ny foko iray na maromaro i Richard Ratsimandrava. Satria napetraka manerana ny nosy nandritra ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ny maodelim-pitantanana Frantsay ary notazonina nandritra ny fitondran'i Tsiranana, naniry hiverina tamin'ny loharanon'ny maodelim-pitantanana nentim-paharazana eo amin'ny fiarahamonina Malagasy i Ratsimandrava. Noraisina ihany koa izany fepetra izany mba hampihavanana ireo hetsika ara-politika Malagasy isan-karazany izay nifandona an-kerisetra tamin'ny taona 1970 ka hatramin'ny taona 1971. Raha ny marina, kihon-dalana ho an'i Madagasikara ny taona 1970 izay sambany nandalo krizy ara-politika lehibe hatramin'ny fahaleovantenany. Tamin'ny taona 1972, nisy ny hetsi-panoherana ara-politika sy ara-tsosialy goavana ho fanoherana ny filoha Philibert Tsiranana izay nanolotra ny fahefana feno ho an'ny jeneraly Ramanantsoa, lehiben'ny tafika tamin'ny 18 may 1972. Nanomboka vanim-potoana fampihavanana ara-politika araka izany i Gabriel Ramanantsoa saingy tsy nahitam-bokany izany ezaka izany ary nametra-pialàna tao anatin'ny krizy ara-politika lalina i Ramanantsoa, nanolotra ny fahefana ho an'ny kolonely Richard Ratsimandrava tamin'ny 5 Febroary 1975 izay minisitry ny atitany tamin'izany fotoana izany.

Nosafidiana ho filoham-pirenena i Richard Ratsimandrava satria mpitondra politika mifototra amin'ny:

• Fampandrosoana ny firenena amin'ny alalan'ny « fokonolona »,
• Ny fanagasiana ny toekarena mifototra amin'ny toekarena ao an-toerana sy any ambanivohitra.
• Ny fanapariaham-pahefana.

Tsy tafapetraka mihitsy izany fandaharana'asa izany satria nisy namono herinandro taorian'ny fitondrany i Ratsimandrava. Tsy mbola misy ny fehin-kevitra momba ny antony namonoana azy na dia teo aza ny famotorana naharitra ela nataon'ny Jeneraly Gilles Andriamahazo. Nofoanana nony farany ny famotorana mba hampitoniana ny disadida tsy mitsaha-mitombo manerana ny firenena.

 

C) Izay tsy hitanao ao amin'ny wikipédia

Nanamarika ny am-parahatoky ny Malagasy mitovy taona aminy Ratsimandrava. Tsy dia fantatra any anaty bokin-tantara sy raki-pahalalana izy satria nafohezin'ny fahafatesany tampoka ny fehim-potoam-piasany. Saingy marobe ireo fanomezam-boninahitra tamin'ny aterineto: tononkalo, fijoroana vavolombelona, sns. Ireto sombiny amin'izany:

Avy amin'i Maryse RANDRIANASOLO: 
TSY ADINOINA
Na dia eo aza ny fisarahana
Tsy adinoina ireo fotoana mamy niarahana
Misoritra ato an-tsaiko sy ato am-poko
Ireo tsiaro mampisento ka tsy foiko

 

Faly R, tao amin'ny Orange.mg:

C’est à ce grand homme que l’on devait le terme « Fokonolona » car sa politique était basée sur le fait que le peuple rural devait être au centre des structures institutionnelles et économiques. Lorsque Ramanantsoa lui a légué le pouvoir, il s’est mis en tête de restructurer ce fameux cadre du « fokonolona » en prenant comme base les initiatives des villageois qui trouvent leurs financements dans leur propres transactions.

Tamin'ity lehilahy mahery ity no nampisy lanja ny teny « Fokonolona » satria nifototra tamin'ny zava-misy ny politikany fa ny mponina any ambanivohitra dia tokony ho ao anatin'ny rafi-panjakana sy toekarena. Raha nanolotra ny fahefana ho azy i Ramanantsoa, nihevitra ny handrafitra indray ny rafitra malaza « fokonolona » izy amin'ny fakàna fototra ny hevitry ny mponina eny an-tanàna izay mahita ny famatsiam-bolan'izy ireo amin'ny varotr'izy ireo manokana.


D) Tantara mety hahagaga anao 

Filoham-pirenena faharoa nanana fehim-potoam-piasana fohy indrindra teo amin'ny tantara i Richard Ratsimandrava hatramin'izao : herinandro nanomboka ny 5 hatramin'ny 11 Febroary 1975.
Ny fitondrana tena fohy indrindra dia an'i Pedro Lascurain tao Meksika izay nitondra adiny iray latsaka monja tamin'ny 18 Febroary 1913.
Ny fahatelo dia i William Henry Harrison, filohan'i Etazonia nandritra ny 1 volana, 4 marsa 1841 hatramin'ny 4 avrily 1841.

E) Tsy afaka hanome fahafaham-po ho an'ny rehetra

Ankasitrahan'ny vahoaka Malagasy amin'ny ankapobeny, tsy voatery hanana mpanohana avy amin'ireo kilasy politika Malagasy tamin'ny taona 1970 i Richard Ratsimandrava. Tsy nifanaraka tamin'ny tsipika ara-politikan'ny governemanta teo aloha ny fifantohana tamin'ny fanagasiana ny toekarena. Fanampin'izany, tao anatin'ny komandàn'ny zandarimariam-pirenena izay nanao famoretana ny fitroaram-bahoaka voalohany teo anelanelan'ny taona 1970 sy 1971 izy.

F) Sary/Lahatsary milaza teny maro

Lanonana fahatsiarovana ny fahafatesan'i Richard Ratsimandrava tamin'ny taona 2013 tao Ambohijatovo Ambony:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.