(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)
Ny 30 martsa no datin'ny Andron'ny Tany [amin'ny teny anglisy], izay fotoana hahatsiarovan'ny Palestiniana ity andro ity tamin'ny 1976, na aiza na aiza misy azy [amin'ny teny anglisy] (fa indrindra ireo mpietraka ao Israely), ny namonoan'ny tafika sy polisy israelianina sivily arabo niisa enina tao Israely tsy nitondra fitaovam-piadiana, nandritra ny hetsika fanoherana ny fakàna ny tany. Lasa manamarika ny ady notarihin'ireo Palestiniana ity andro ity, mba hitahirizana ny fanànany feno ny taniny. Amin'izany fotoana izany, misy fihetsiketsehana [amin'ny teny anglisy], ary koa tranga toy ny fambolena hazo oliva [amin'ny teny arabo], ao anatinà vanim-potoana fitomboan'ny ankivy, fanalàna vola miasa ary sazy [amin'ny teny anglisy]. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity daholo ny Palestiniana, sy mpitoraka bilaogy mpankafy an'i Palestiniana, manerana izao tontolo izao.
Manangana ny lisitr'ireo olona enina novonoina tamin'ny 1976 i Yousef Abudayyeh [amin'ny teny anglisy]:
خديجة شواهنه , محسن طه ,خير ياسين، رجا أبو ريا , رأفت الزهيري وخضر خلايله
Nandefa sary mampiseho ny anarana sy sarin'ireo maty , arahina sombin-tononkalon'i Tawfiq Ziad [amin'ny teny arabo] i Bas7aky:
في اللد , والرملة , والجليل هنا ..
على صدوركم , باقون كالجدار
وفي حلوقكم كقطعة الزجاج , كالصبار
وفي عيونكم زوبعة من نار هنا ..
على صدوركم , باقون كالجدار
Mbola toa rindrina miankina amin'ny tratranareo izahay
Ary ao an-tendanareo, toa vakivakim-bera, tsilona raketa
Ary ao anatin'ny masonareo, rohon'afo
Mbola toa rindrindra miankina amin'ny tratranareo izahay [amin'ny teny anglisy]
Marcy Newman, vehivavy iray amerikana mpikatroka sy mponina ao Naplouse any Amoron'i Jordàna ny manoritsoritra ny dia iray nataony niaraka tamina namana palestiniana vitsivitsy avy ao amin'ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana ao Dheisheh, akaiky an'i Betlehema ao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948” (any Israely), mba hitsidihana ireo toerana tany ka nifandray tamin'ny zava-nitranga tamin'ny 1976 [amin'ny teny anglisy]:
Sabotsy, rehefa hariva be iny, nandeha tamin'ny fomba tsy ara-dalàna,mazava ho azy, nankany Amoron'i Jordàna ireo namako avy ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Deheishe, tao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948”. Nieritreritra izahay fa zava-dehibe ny miaina ny يوم الأرض (Ny Andron'ny Tany) [amin'ny teny anglisy] tao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948”, teny amin'ny toerana nisehoan'ny famonoana tamin'ny 1976. Mazava ho azy, maniry ny handray anjara amin'ny fihetsiketsehana aty [israely] izahay rahampitso 31 Martsa, saingy ny fitsangatsanganana miaraka amina Palestiniana voaràra ny fivezivezeny malalaka ao amin'ny fireneny dia midika fa mila sorohana ny fankanesana amin'ireo toerana ahitana miaramila be loatra. […] Rehefa avy niala tao Saffuriyya [amin'ny teny anglisy], namily ho any avaratra izahay, nankany Sakhnin [amin'ny teny anglisy], tanàna palestiniana nalaza noho ny fanoherana, ankalazaina rehefa ny Andron'ny Tany.
Nandefa an-tambajotra sarin‘ny tsangambaton'ireo maty tamin'ny Andron'ny Tany tamin'ny 1976 ihany koa i Marcy.
Nanadihady ny Dr Hatim Kanaaneh [amin'ny teny anglisy] i Jonathan Cook, izay mpitoraka bilaogy ao amin'ny A Doctor in Galilee (Dokotera iray ao Galilia) ary vavolombelon'ny zava-nitranga tamin'ny 1976.