Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jona, 2017
Iran: Mahatsiaro Ilay Famonoana Faobe Tamin'ny Taona 1988 Ireo Fianakaviana
Faha-19 taona namonoana ny gadra politika Iraniana an'arivony izay nalevina tao amin'ny fasana faobe tao Khavaran tamin'ny taona 1988 ny 31 Aogositra. Nitsidika ny fasana misy ny zanany, ny rahalahiny, ny anabaviny izay nalevina tsy nisy anarana na famantarana ireo namana sy havan'ireo niharam-boina.
125 Taona Ny Lalamby Egyptiana
Mankalaza ny faha 125 taonan'ny lalamby Egyptiana eto ilay bilaogera Egyptiana Zeinobia.
Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”
Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.
Maso Arabo: Ny Afovoany Atsinanana An-tsary
Ny Afovoany Atsinanana An-tsary anio dia hitondra antsika ho any amin'ny torapasika milamina ao Dubai , i Doha rehefa amin'ny alina , ny sarin'ny voninkazo ao Bahrain, ny voninkazo mamelana an-jaridaina ao Syria amin'ity lohataona ity ary farany ny fividianana Viagra ao an-tsenan'i Fez, ao Maraoka.
Ejypta: Namoy ny Ainy Ny Jeneraly Saad El Din El Shazly
Namoy maherifo tsy notantaraina tamin'ny ady Oktobra 1973 antsoina hoe Saad El Din El Shazly i Ejypta. Tao amin'ny Twitter, nanome voninahitra ny lehilahy voaroaka tamin'ny asany... taorian'ny fitsikerana ampahibemaso ny Fifanekena Camp David, nosoniavin'ny filoha Ejiptiana teo aloha Anwar Sadat ny sioka.
Asehon'ny Tetikasa Fakan-tsarin'ny Mpianatra Makedoniana Ireo Toerana Sasany Tamin'ny Ady Lehibe Voalohany sy ny Endriny Ankehitriny
Manambatra ny zava-misy eny an-dalambe ao amin'ny faritra atsimon'iny tanàndehiben'i Bitola Makedonia nandritra ny Ady Lehibe I sy ny zava-misy amin'izao fotoana izao ny fampirantiana sary.