Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2021
Mpanao gazety Zimbaboeana sy mpanao politika mpanohitra roa nogadraina noho ny sioka momba ny habibiana nataon'ny polisy
Voasambotra noho ny siokany momba ny polisy voalaza fa nidaroka nahafaty zazakely iray rehefa nampihatra ny fepetran'ny COVID-19 i Hopewell Chin'ono, Job Sikhala ary Fadzai Mahere.
Inona no miandry an'i Hong Kong amin'ny 2021?
Fisamborana faobe, fibahanana tranonkala aterineto, fahataperan'ny fahalalàhan'ny fitsaràna, ankoatra ny zavatra hafa, no toa manangasanga ao Hong Kong ho an'ity taona ity.
Nahenan'ny fitsarana saodiana ny sazin'ny dokotera malaza nohazonina hatramin'ny taona 2017
Tsindry tsy mahazatra avy any Etazonia no heverina ho nitarika ho amin'ny famahana haingana ny raharaha Dr Fitaihi, izay nosamborina, nampijaliana ary noraràna tsy mahazo mandeha lavitra hatramin'ny taona 2017.
Tetikasa salvadôriàna maneho ireo fàka afrikàna « miafina» niavian'ny fiteny mahazatra ao Amerika Latina
Ho fankalazana ny iray volana natao ho an'ireo manana razambe afrikàna ao Salvadaoro, noravahanay sary ny sasantsasany amin'ireo teny manana fiaviana afrikàna ao anatin'ny fiteny espaniôla salvadôriàna
Nanao hetsika tsy fankatoavam-bahoaka ny olom-pirenena ny ampitson'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar
"Midika hoe siny vy ny hoe Than Pone. Midika hoe mampaneno vilany ny hoe Than Pone Tee. Amin'ny fomban-drazanay, midika hoe fandroahana fanahy ratsy ny fampanenoana siny vy."
Hita ao amin'ny “The China in Africa Podcast” i Nwachukwu Egbunike
Henoy ny tonindahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Afrika ambanin'i Sahara, no sady talen'ny Vondrompiarahamonina, miresaka momba ilay andian-dahatsorany vao haingana manodidina ny vaksiny iadiana ny COVID-19 omen'i Shina.
Ao Trinidad & Tobago, tratran'ny fahirano ny vehivavy, indraindray na ny voambolana aza tsy misy heriny
Ny tiako dia tontolo izay tsy mety ahafahana mamono antsika. Ny tiako dia nosy izay ifohazantsika sy idirantsika taxis izay ahazoana antoka feno fa tsy ho alaina ankeriny isika.'
Chantal Esdelle, mpiangaly mozika, miresaka momba ny fomba nataon'ilay areti-mandringana hamohazana indray ny Karnivaly ao Trinidad & Tobago
'Tena mila ifantohanay ny fomba tianay mba hampandeha indray [ny Karnivaly] ho anay: ny fanaovana hetsika sy fandraisana anjara fa tsy famokarana sy fanjifàna.'
MIVANTANA amin'ny 10 Febroary: Resadresaka hifanaovana amin'i Jillian C. York momba ilay bokiny ho avy “Silicon Values”
“Iza no manana fahefana hanapa-kevitra hoe inona no azo avoaka na tsy azo avoaka amin'ny aterineto ?” Izany no fanontaniana lehibe napetraky ny mpikatroka sady mpanoratra Jillian C. York ao amin'ilay bokiny ho avy "Silicon Values", izay hivoaka ny 2 Martsa 2021.
Serba malaza, talen'ny sarimihetsika, voasambotra taorian'ny fiampangan'ny mpianany fahiny azy ho nanolana an-dry zareo.
Nanjary resaky ny media sosialy tany Balkans tato anatin'ny herinandro vitsivitsy ilay tantara ratsy.