MIVANTANA amin'ny 10 Febroary: Resadresaka hifanaovana amin'i Jillian C. York momba ilay bokiny ho avy “Silicon Values”

“Iza no manana fahefana hanapa-kevitra hoe inona no azo avoaka na tsy azo avoaka amin'ny aterineto ?” Izany no fanontaniana lehibe napetraky ny mpikatroka sady mpanoratra Jillian C. York ao amin'ilay bokiny ho avy “Silicon Values“, izay hivoaka ny 2 Martsa 2021.

Ny Alarobia 10 Febroary amin'ny 2 ora tolakandro GMT, hiara-hitafa amin'ny tale mpanatanteraka Global Voices Ivan Sigal i Jillian amin'ny alàlan'ny lahatsary mivantana momba ilay boky, izay, araka ny nomarihiny tao amin'ny sasin-teny, dia “hamintina ny tantara momba ny fomba namoronan'ireo sehatry ny serasera lehibe ao amin'ny Silicon Valley rafitra hafa— indrindra, ny rafitra mifehy ny fomba ahafahantsika maneho hevitra amin'ny aterineto”.

Jillian, talen'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Iraisam-pirenena ao amin'ny Electronic Frontier Foundation dia mpikambana  efa ela tato amin'ny Global Voices ihany koa, izay nanovozany traikefa tamin'ny fanoratana momba ny zo an-tsivalo (nomerika) sy ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny tontolo Afovoany Atsinanana.

Maimaimpoana ary ho an'ny besinimaro ny fivoriana ary halefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, ary Twitch.

Manantena izahay fa hiaraka aminay ianao amin'ny Alarobia 10 febroary amin'ny 2:00 tolakandro GMT [Amin'ny dimy ora hariva ora eto Madagasikara] (kitiho eto  raha hanova ny ora hifanandrify amin'ny faritra misy anao)!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.