Serba malaza, talen'ny sarimihetsika, voasambotra taorian'ny fiampangan'ny mpianany fahiny azy ho nanolana an-dry zareo.

Serba mpilalao sarimihetsika, Milena Radulović (25). Saripika Wikipedia an'ny Track & Field Serbia, CC BY-NC-SA.
Nosamborina tamin'ny 16 Janoary i Miroslav Mika Aleksić, tremalahin'ny sarimihetsika sy ny teatra Serba, taorian'ny fitarainana nataonà vehivavy enina tany amin'ny polisy Serba, niampanga azy ho nanolana azy ireo raha mbola mpianatra tao amin'ny sekoliny fianarana tantara an-tsehatra izy ireo.
Namoahan'ny tribonaly serba iray didy ny hijanon'ity talen'ny sarimihetsika sy teatra, 68 taona, ity any am-ponja mandritra ny 30 andro, ary ny polisy kosa hanadihady ny raharaha, hoy ny fampitambaovao Serba. Ampangain'ireo vehivavy ireo izy fa nanao fanolanana miisa valo ary fanaovana herisetra ara-nofo miisa fito teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2020. Mbola tsy voaheloka i Aleksić.
Ity tale menavazana sy mpilalao ary mpanoratra horonantsary ity dia manana famintinana ambangovangony momba azy amin'ny indostrian'ny sarimihetsika sy teatra eo an-toerana. Izy no mpanorina sy talen'ny ” Belgrade Drama Academy Stvar Srca” (midika hoe “zavatra ao am-po” amin'ny fiteny Serba), natrehin'ny 3.000 ankizy sy ny tanora, taona vitsivitsy lasa izay. 6 ka hatramin'ny 13 taona no taona azon'ny mpianatra idirana ao.
Nitatitra ny Blic Daily fa am-polony no namaly ny antso ampahibemaso nataon'ny polisy ho an'ireo niharan'ny herisetra ara-nofo taloha tao amin'ilay sekoly. Ho fanampin'izany, notaterin'ny Alo, gazety serba mpisary adala, fa tsy ela akory izay, nisy naman'ny fianakavian'i Aleksić nametraka fitoriana azy, tamin'ny filazàna fa nano herisetra ara-nofo tamin'ny zanany vavy i Aleksić.
Ny 26 Janoary, nambaran'i Biljana Mašić , vadin'i Aleksić, fa mety ho akatona ny Stvar Srca, araka ny nambaran‘ny Tanjug, masoivohom-baovaon'ny fanjakàna Serba.
Amin'ireo vondrona vehivavy enina izay nametraka ny fitoriana voalohany dia ireo matihanina mpilalao sarimihetsika Milena Radulović sy Iva Ilinčić ihany no niresaka ampahibemaso momba ny fanafihana nolazain'izy ireo fa niaretany.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Blic Daily tamin'ny 16 Janoary no nilaza i Radulović, izay feno 25 taona ankehitriny, fa nanomboka nanatrika ny sekolin'ny mpisehatra an'i Aleksić izy tamin'ny faha-11 taonany, ary 17 taona izy rehefa nanolana azy i Aleksić, izay 61 taona tamin'izany. Ny 20 Janoary, naharitra ora dimy ny fijoroana ho vavolombelona nataony tao amin'ny Biraon'ny mpampanoa lalàna ao Belgrade.
“Ny tena ratsy indrindra amin'ity drafitra ity dia efa hatramin'ny fahazazany no efa voaoman'ilay biby goavambe mialoha ny kianja. Tsy afaka hamela ankizy hafa hiaritra ny fampijaliana tahàka izany izahay, ” hoy ny filazan'i Radulović.
Malaza any Serbia ny fomba fifehezana henjana nataon'i Aleksić. Mpianatra fahiny tao aminy, Zorana Minčić, no nilaza tamin'i Dnevno.rs fa tao amin'ny Radio Belgrade dia “toy ny sekolim-pinoana izy no nitantanany ny sampana tantara an-tsehatra, ka izy no mpitarika toavin-teny faratampony (guru).”
Nanaitra ny resadresaka nataon'ny media sosialy tao Balkans tao anatin'ny herinandro vitsivitsy ilay tantara ratsy. Ny teny fototra #NisiSama (“tsy irery ianao” amin'ny teny Serba) no nalaza tao amin'ny Twitter, sy ny pejy Facebook antsoina hoe “Nisam tražila” (“Tsy nangataka izany aho”). Ireo mpitantana ny pejy, izay nahazo ”Tiako” miisa 36.000 tao anatin'ny andro roa monja, dia nandefa tantara tsy nanononana anarana momba ny herisetra ara-nofo azony tamin'ny alàlan'ny imailaky avy amin'ireo mpisera Facebook.
Araka ny efa nampoizina amin'ny tranga tahàka io, niatrika karazana fanafihana an-tserasera ireo mpilalao an-tsehatra izay mba niresaka. Ilay mpikatroka mafàna fo, mpanoratra ary mpandika teny Rumena Bužarovska, iray amin'ireo nanomboka ny hetsika Makedoniana #MeToo tamin'ny taona 2018, dia nanosoka hevitra hoe maro amin'ireny fanehoankevitra ireny no “manaraka ny lasitra mazava DARVO,” fanafohezana midika hoe “deny, attack, and reverse victim and offender – mandà, manafika, ary fampifamadihana ny lasibatra sy ilay mpampijaly.”
Nisy haino aman-jery serba sasany nanandrana nanimba ny fijoroana vavolombelon'ireo niharam-boina. Ny nasionalista Serba mpiseho isan'andro Pravda no namoaka lahatsoratra iray nitanisa fatratra ny mpanolotra fandaharana tafatafa iray izay nanamafy fa ” ireo mpilalao an-tsehatra no “lohandohan'ny mpisorona amin'ilay fibodoana”, ” ny “fibodoana” amin'ity tranga ity dia ny iray izay “hakàn'ny soatoavin'i Etazonia” tsikelikely ny toeran'ny soatoavin'i Serbia.”
Mandritra izany fotoana izany, nanjary nalaza be tao amin'ny faritra ny lahatsary iray momba ilay Serba mpanolotra vaovao nanao kabary tsy valiana ho fanohanana ireo niharam-boina, no sady miresaka momba ireo tantara ratsy fahiny tao amin'ny firenena. Ity ambany ity ny dikanteny natao sy fanazavana momba ireo fanovozan-kevitra :
Ćutanje…
Neprijatno je, ali mi smo navikli da ćutimo na mnoge bitne stvari.
Ćutimo kada ne bismo smeli i zato nemojte nikada više pitati žrtve zašto su ćutale, nemate pravo, nego ih podržite da progovore kad god da su spremne!
Uvod u #PregledDana sa Jelenom Obućinom. pic.twitter.com/7AqvgXcBiS— Newsmax Adria – Srbija (@NewsmaxAdriaBG) January 18, 2021
Bitsika: Fahanginana…
Tsy mampahazo aina, fa lasa zatra mikombom-bava manoloana ireo olana goavana isika.
Manohy mikombom-bava amin'ny fotoana tsy tokony hanaovana izany isika, koa aza manontany ny traboina intsony hoe maninona izy ireo no nangina, tsy manana izany zo izany ianao, fa ampio izy ireny hiteny rehefa vonona izy ireo.
Fampidirana ny fizarana vaovao isanandro miaraka amin'i Jelena Obućina.— Newsmax Adria – Srbija (@NewsmaxAdriaBG) 18 Janoary, 2021
Lahatsary: Salama. [16 segondra fahanginana]
Tsy mahazo aina isika, fa efa lasa zatra mangina fotsiny : rehefa tara ny karamantsika, rehefa tsy maintsy mividy lafika amin'ny vidiny 300 Euro isika [rehefa miresaka an'ireo mpiasa any amin'ireo orinasa izay ny vahiny no tena tompon'ny vola miasa, ary tena voafetra be ny fotoana ahafahan-dry zareo mandeha any amin'ny efitrano fidiovana], rehefa maintsy maka sary ny vatom-pifidianantsika isika [manondro momba ny raharaha mahamenatra iray izay naneren'ny antoko eo amin'ny fitondrana ny mpifidy hanaporofoana fa nandatsa-bato ho an'ny kandidà marina izy ireo], rehefa nambara fa mpiboboka toaka ny mpanamory fiaramanidina [manondro fianjerana helikoptera nahafaty tamin'ny 2015 izay niteraka fahafatesan'olona 7, izay tsy nisy olona voasambotra na iray aza], rehefa tsy ampy rano fisotro isika, rehefa voapoizina ny reniranontsika, rehefa tsy misy fandriana malalaka any amin'ny hopitaly, rehefa novonoina isika nandritra ny fihetsiketsehana, fony nohorakorahana ny rain'ilay mpiasa maty am-perinasa [mitady ny rariny], rehefa nahazo tehaka i Jutka [Serba mpanao politika voampanga ho nanao herisetra ara-nofo], rehefa nisy vitsivitsy tamin'ireo adala tanteraka namotika ampahany tamin'ny tanàna, rehefa mandefa vola avy any Kanada ny nenitoà iray , rehefa misy afomanga mandeha avy eny an-tampontrano mandritra ny fihibohana [natao ho toy ny ampahana hetsika fanoherana avy amin'ireo mpomba ny governemanta], rehefa lazaina fa misy demonia [ilay politisiana mpanohitra Boško] Obradović, rehefa niroborobo i Jovanjica, rehefa nanjavona ireo lahatsary avy amina tranoheva iray fitoeram-pitaovana sy Kosovska Mitrovica, rehefa nandaingana momba ny coronavirus isika, rehefa nisolo tena antsika ry zareo ka namorona fifamaliana teo amin’ny mpiaramonina amin'ny anarantsika…
Manohy mikombom-bava amin'ny fotoana tsy tokony hanaovana izany isika. koa aza manontany ny traboina intsony hoe maninona izy ireo no nangina, tsy manana izany zo izany ianao, fa ampio izy ireny hiteny rehefa vonona izy ireo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...