Chantal Esdelle, mpiangaly mozika, miresaka momba ny fomba nataon'ilay areti-mandringana hamohazana indray ny Karnivaly ao Trinidad & Tobago

Trinidadiana mpiangaly mozika, Chantal Esdelle (afovoany) sy ny tarika Moyenne misy azy, namerina amin'ny fomba vaovao indray ny habaky ny Karnivaly, tsy tamin'ny alàlan'ny mozikan-dry zareo ihany, izay manafangaro ny jazz, ny calypso sy ny steelpan, fa koa tamin'ny alàlan'ny fomba nataon'ny COVID-19 nanerena an-dry zareo hamorona. Sary natolotr'i Esdelle tam-pitiavana, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy. Mpakasary: Maria Nunes.
Tsy zavatra mahagaga raha nitarika nankany amin'ny fanafoanana ireo fankalazàna ny Karnivaly ao Trinidad & Tobago ny fandalovan'ilay valanaretina COVID-19. Fa ny tsy nampoizin'ireo sasantsasany mpisehatra amin'ilay Karnivaly dia ny nanambaràn'ny National Carnival Commission (NCC), masoivohom-panjakana mpiandraikitra ilay fetibe, fa tsy hikarakara hetsika virtoaly izy, na eo aza ny zavamisy hoe ireo fetibe hafa malaza erantany, ny iray malaza indrindra any Nouvelle- Orleans ohatra, dia hikarakara ny fankalazàny ety anaty tambajotra ny 15 sy 16 Febroary.
Winston “Gypsy” Peters, mpiangaly calypso fahiny ary lasa pôlitisiàna sy filohan'ny NCC amin'izao fotoana izao, dia niaro io fanapahankevitra io tamin'ny filazàna ny Karnivaly ho “fanatanjahantena ifampitankosinana” sy mila “olona betsaka”. Ho solony, sosokevitry ny NCC ny hanaovana jeritodika ireo 100 taona nisian'ny karnivaly nasiônaly. Nampian'i Peters hoe ny Karnivaly dia loharanom-bola ho an'ny firenena ary andraikiny ny miantoka hoe tokony hisy tamberina ny vola naloan'ireo mpandoa hetra.
Niteraka kiana ny fanapahankevitra noraisiny, tsy teny anivon'ireo mpanakanto fotsiny, na ireo mpanefy endrika sy ny mpiangaly mozika ary mpandihy izay ireo hetsika rehefa Karnivaly no tena iankinan'ny fiainany—maro amin'ireo no sady mampiantrano ireo hetsika virtoaly sy manaraka ny fepetran'ny COVID-19, ary manao ny azy ireo manokana—fa koa kiana avy amin'ireo izay mihevitra ilay fetibe nasiônaly ho zavatra mifàka lalina sy misy lanjany betsaka, fa tsy fandraisana anjara tsotra fotsiny amin'ny harinkarena faobe (PIB) ao amin'ny firenena.
Iray amin'ireny mpanakanto ireny i Chantal Esdelle. Fotoana fohy taorian'ny nitrangan'ilay valanaretina, nanomboka nanao fampisehoana tamin'ny alàlan'ny podcast, tamin'ny anaran'ny Ethnic Jazz Club studio-ndry zareo, izy sy ny tarika Moyenne misy azy, vondrona mpiangaly jazz ao Trinidad & Tobago izay mifikitra lalina amin'ny calypso nentindrazana sy steelpan ao amin'ny firenena. Nampiasa ny bilaoginy ihany koa i Esdelle hiresahana momba ny fomba ahafahan'ny olona mifandrohy indray amin'ilay Karnivaly amin'ny fomba misy dikany kokoa anatin'izao fotoana nakorontanan'ilay valanaretina ny zavatra rehetra efa mipetraka izao. Tamin'ny alàlan'ny imailaka sy ny telefaona no nifampiresahanay momba izay azo atao.

Chantal Esdelle. Sary natolotr'i Esdelle tam-pitiavana, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy. Mpakasary: Maria Nunes.
Janine Mendes-Franco (JMF): Amin'izao fotoana izao raha ny tokony ho izy dia efa miaina ny tazon'ny karnivaly i Trinidad & Tobago. Ho anareo, toy ny ahoana no fidonan'ny tsy fisian'ilay fetibe amin'ity taona ity?
Chantal Esdelle (CE): Ety ivelany, [mahatsapa] mangorintsina [aho], izay azo adika ho fahatsapako alahelo sy fahaverezana. Anatin'ny sokajy “steelband” … Panorama sy J’ouvert ny Karnivaliko. Toerana iray io hihaonako amin'ireo namana efa hatry ny ampolo taona maro, sy hanaovako drafitra, hakàko aingampanahy, hifanenàko amin'ireo tanora [mpiangaly mozika] ary hamelona indray ny hafanana miaraka amin'ireo zokiolona. Tena fahabangàna lalina ho ahy izany.
JMF: Ao anatin'ny lahatsoratry ny bilaoginao, marihanao fa ny fomba anaovana ilay Karnivaly dia “mifandray amin'ny lafiny maro amin'ny fomba maron'ireo karnivaly tany am-piandohany, misy fameperana sy faneriterena.” Ahoana no nampifandrindràna ny fotokevitrao Backyard Jam ho ao anatiny?
CE: Ao anatin'ilay lahatsoratra dia nanosoka hevitra aho hoe ny Backyard Jam no fomba fankalazana[y] amin'ity taona ity, ary dia mety hakatona io sy ny hafa rehetra, toy ny andraràna ireo atrikasa hafa marobe ihany tamin'ny Karnivaly tany aloha be tany. Lazaiko tsy asiana fitanisàna loharano izany, na iray aza. Kanefa, ny fomba fiantraikan'io tamiko dia ny fijerena ny nahaterahan'ny fahaizamamoron-javatra ao anatin'ny Karnivaly tao anatina habaka iray akaiky [misy fifandraisana am-pahendrena], dia avy eo mihovitrovitra mivoaka. Vao mainka mandrisika ahy io hanohy ilay lasitra efa nanananay momba ny ‘studio’ iray mamokatra asa ho an'ireo patiraonay, saingy ankehitriny mihodinkodina amin'ny fampisehoana [ny zavatra ataonay] ho an'ireo mpanaraka manerana izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fandefasana lahatsary noraketina momba azy io.
Teny aloaky ny vava ny Backyard Jam, [mifototra amin'ny] fandraisana anjara fa tsy ny sarany, ary ny fandraisana anjara amin'ny hetsika iray — tsy fanjifàna vokatra iray— izay toerana misy ny Karnivaly amin'izao fotoana izao, araka izany… fiverenana io.
JMF: Lazainao hoe “fiverenana ho amin'ny fahatongavan-tsain'ny isambatan'olona ary famerenana ny fahatokiana ara-kolontsaina” mibosasaka avy amin'io fahatakarana vaovao ny tanjon'ny Karnivaly io.
CE: Fahatokiana ara-kolontsaina … azo ambara hoe tokony hanana izany ianao ao anatina habaka iray tery satria tsy mahazo manao hadalàna amin'ny olona ianao rehefa kely ny elanelana amin-dry zareo, araka izany dia mila mandray fanapahankevitra mazava ianao momba izay ho ataonao, ary io dia ilàna mandrakariva fisaintsainana kely sy fitadidiana. Araka izany, ho ahy io dia famerenana, ary antenaiko fa ny fanelezana azy dia hahafahan'ny sasantsasany mandrombaka azy, toy ilay mozikan'i Andre Tanker sy Boogsie ary ny mozikan'i Ralph McDonald any anaty kaonseritra sy hatramin'ireo rakitsarin'ny TTT [Trinidad and Tobago Television, trano famoahana vaovao an'ny fanjakàna] mihitsy aza dia mety hambabo ahy… na ireo fandrindràna avy amin'i Earl Rodney sy Clive Bradley fony aho nandre an-dry zareo tsy nahy tao amin'ny fampielezampeo na nolalaovina tamin'ny vely sahafa vy.
JMF: Fomba ahoana no itondran'ireo mpanakanto zavabaovao avy amin'ny kitapombola kelin-dry zareo, ary inona no tsapanao ho fiantraikany amin'ny Karnivaly rehefa ela ny ela?
CE: Amin'ny ankapobeny dia manao ny azy manokana any ireo mpanakanto, avy eo mandefa izany eny anaty tambajotra … betsaka ny olona no mampiasa ny tolotra Wack. Enga anie, mba handrisika ny olona hanohy hanao asa tsy miankin-doha io ary hitarika mankany amina fahamaroan'endriky ny karnivaly tsy araka ilay iray efa ananantsika, izay nifantoka taminà fifaninanana telo na efatra lehibe.
JMF: Tianay ny hiantso azy io hoe “ny fampisehoana goavana indrindra manerana ny tany,” nefa ampahany betsaka amin'ireo fampisehoana no kenda, indrindra fa noho ny famarotana ilay fetibe. Heverinao ve fa noho ity valanaretina ity dia hisy fotoana iray fanararaotra hamerenana ifotony ny Karnivaly ka hahafahany indray ho lasa fandrindràna feo goavana, no sady mametraka ihany ny soatoavin'ny fahaizamamorona ananantsika sy manome fahafinaretana / fanafahana?
CE: Tena mila mamerina indray izahay, satria ao anatin'izao toedraharaha izao, raha maharitra mihoatra bebe kokoa noho ity karnivaly ity io, mila ifantohanay ny fomba tianay mba hampandeha azy io indray ho anay: ny fanaovana hetsika sy fandraisana anjara fa tsy famokarana sy fanjifàna. Tsy midika akory izany hoe tsy hisy fifanakalozana loharanon-karena mihitsy … mbola hifanakalozana ny fihetsehampo, ara-batàna sy ny ara-bola, saingy ny risipo manosika no mety ho hafa. Mila atao misy mihoatra noho ny karnivaly iray anefa izany.
JMF: Inona no fahatsiarovana maminao indrindra tamin'ny Karnivaly ary nahoana ianao no mihevitra hoe zavadehibe ny fitazonana ilay fetibe ho velona hatrany?
CE: Ny manasa-dàlana tamin'ny Panorama 1989 … ny fientanentanana sy indrindra indrindra, ny vahoaka. Tena toy ny herinaratra; ny gadona nofinidy tamin'ny panorama dia ilay ‘Somebody.’ Majika sy fifampikasohana no tsapako tamin'izany fotoana izany. Raha ny marina dia tsy afaka ny ho faty ny Karnivaly. Mihevitra aho fa amin'ity taona ity, afaka manao zavatra izahay mba hahatsiarovanay an'izany, amin'ny fanaovana sy ny fahatsapana fotsiny koa … fahatsapana hoe hatraiza ny fifampikasohanay tsirairay rehefa mankalaza io fetibe io izahay.
JMF: Manerana ny tany, noporofoin'ity valanaretina ity hoe tena miankina be amin'ny asan'ireo mpamoron-javatra ny olona maro. Inona avy ireo fomba azo tsapain-tànana azontsika anomezana lanja ireo mpanakantontsika?
CE: Izaho mihevitra hoe omen'ny olona [lanjany ny mpanakanto] saingy ny rafitra ananantsika dia tsy napetraka hanohana ny indostrian'ny taokanto, araka izany dia nisy ny eritreritra sasantsasany [tonga tany amin'ny ] fametrahana fotodrafitrasa ho an'izany. Nanampy be tamin'izany nandritra io vanimpotoana io ny aterineto sy ny media sôsialy. Io no fomba nataonay hifandraisana tsy tapaka ary nifampizarànay ny asa hatrany am-piantombohan'ny valanaretina: podcasts, kaonseritra ety anaty aterineto ary filazana ao amin'ny tranonkalanay.
JMF: Inona no vinanao ho an'ny taona 2021 sy hatrany lavitra any?
CE: Ity Karnivaly ity, mba hahafahany manao izay rehetra azonay tantanina hanomezana aina vao ny fanahinay. Hatrany lavitra any hoe? Miasa ho anay, fa tsy ho an'ny fanjifàna ivelany – fifandanjàna eo amin'ny fameloman-tena sy ny fahaizamamorona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...