Nanao hetsika tsy fankatoavam-bahoaka ny olom-pirenena ny ampitson'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar

Ireo Dokotera tao amin'ny Sampam-pitsaboana Vonjy Aina ao amin'ny Hopitaly any Yangon nanao hetsika Ribà Mena tao amin'ny hopitaly hanehoana ny firaisankinan'izy ireo tamin'ny nanonganana ny governemantan'ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demokrasia, anisan'ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka manohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Sary sy fanazavana avy amin'i Htet Wai (mpiara-mizara votoaty amin'ny Global Voices ny The Irrawaddy)
Ny hetsi-panoherana (fiaretan-tory) mandrehitra labozia, ny fikapokapohana vy, ny fampanenoana ny fanairan'ny fiara, ny fanaovana ankivy ny orinasan'ny miaramila, ary ny fametraham-pialan'ny mpitsabo ifotony sasany no anisan'ny hetsika natombok'ireo olom-pirenena Myanmar hitakiana ny famerenana ny fitondrana sivily taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ny 1 Febroary.
Naka fahefana ny tafika ao amin'ny firenena, fantatra amin'ny anarana hoe Tatmadaw sy nanambara ny hemehana mandritra ny herintaona ary nitana am-ponja ireo mpitarika ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demokrasia (NLD) izay nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2020 ho an'ny fe-potoam-piasany faharoa. Nilaza ny miaramila fa “tsy azo ihodivirana” ny fanonganam-panjakana noho ny ahiahin'izy ireo momba ny hosoka tamin'ny fifidianana izay nambaran'izy ireo fa nandoto ny fahatokisana ny fahamarinan'ny latsa-bato farany teo. Niady hevitra momba izany ny tompon'andraikitra amin'ny fifidianana.
Nanohitra ny fanonganam-panjakana tao amin'ny tambajotra sosialy ny mpisera aterineto. Betsaka no nanova ny sariny tao amin'ny Facebook ho mena, lokon'ny antoko NLD, na nampiseho ny sarin'ilay nahazo loka Nobel Aung San Suu Kyi, mpitarika malaza ny NLD.
Tamin'ny 6 ora hariva ny 2 Febroary, mponina maro tao Yangon renivohitra teo aloha no nandrehitra labozia ho mariky ny fanoherana ny fanonganam-panjakana.
Ary tamin'ny 8 ora alina katroka, nampaneno mafy ny fitaovana vita amin'ny vy ireo mponina avy amin'ny faritra maro manodidina ny Yangon ho fanoherana, araka ny aseho amin'ny horonantsary etsy ambany.
Fampanenoana ‘Siny Vy’
Nandritra ny fihetsiketsehana dia nihiaka ny vahoaka hoe “Mianjera ry fitondrana jadona miaramila” sy ny hoe “Enga anie ho salama tsara i Neny Amay Su (Aung San Suu Kyi)”.
Yangon is banging devils out.
People in downtown Yangon banging pots and honking to against the coup. #Myanmarcoup pic.twitter.com/j2fSl5PxYn— Aung Naing Soe (@AungNaingSoeAns) February 2, 2021
Mandroaka devoly i Yangon.
Mampaneno vilany ireo olona ao afovoan'i Yangon ary mampaneno anjomaran'ny fiara hanoherana ny fanonganam-panjakana.
Nomena anarana hoe Than Pone Tee ilay hetsika fampanenoana vilany. Nilaza tamin'ny Global Voices ny hevitr'ilay teny ny mpanao fihetsiketsehana iray:
Than Pone means iron bucket. Than Pone Tee means Playing Iron Buckets. In our tradition, playing Iron Buckets means casting out evil spirits.
Midika hoe siny vy ny hoe Than Pone. Midika hoe mampaneno siny vy ny hoe Than Pone Tee. Amin'ny fomban-drazanay, midika hoe fandroahana fanahy ratsy ny fampanenoana siny vy.
Nahazo aingam-panahy tamin'ny fihetsiketsehana am-pilaminana i Nay Phone Latt, mpikatroka mafana fo sady mpikambana tao amin'ny parlemanta teo aloha:
ပြည်သူကတော့ အာဏာရူးစစ်အစိုးရကို သံပုံးတီးပြီး တောထုတ်နေပါပြီ။
သေနတ်ပြပြီးအနိုင်ကျင့်တဲ့ စစ်အာဏာရှင်ကို ရသလောက်အားနဲ့ တုံ့ပြန်ကြတဲ့ ပြည်သူတွေကိုကြည့်ပြီး ရင်နင့်ရပါတယ်။
စစ်အာဏာရှင်စနစ်ကျဆုံးပါစေ။
#Myanmarcoup
#SaveMyanmar
#CivilDisobedience
Manakapoka ireo siny vy ny olona handroahana ny governemanta miaramila izay noana fahefana. Tena mahavaky fo tokoa ny mijery ireo olona mampiasa izay fomba rehetra azony atao hanoherana ny miaramila mpanao didy jadona izay mampiasa basy. Mianjerà ry fitondrana jadona miaramila.
Mijoro ny dokotera
Mandritra izany fotoana izany, namoaka fanambarana ny fikambanan'ny mpitsabo sy ny hopitaly manerana ny firenena, mangataka ireo dokotera handray anjara amin'ny tsy fankatoavana sivily amin'ny alàlan'ny tsy fandehanana miasa manomboka ny 3 Febroary.
Efa nahazo mpanjohy maherin'ny 150.000 ny pejy Facebook mitondra ny anarana hoe Civil Disobedience Movement (Hetsika tsy fankatoavam-bahoaka) nosokafana mba handrindrana ny fanaovana ankivy ataon'ny dokotera. Manohana ny fanentanana ihany koa ireo vondron'ny mpianatra.
Nisy mpitsabo miaramila sasany nandefa ny taratasy fametraham-pialany:
“We had a government that we elected. We cannot allow the military to form a government,” said a doctor and lecturer at the University of Medicine 2 in Yangonhttps://t.co/InNfVfD2Qw
— Frontier Myanmar (@FrontierMM) February 2, 2021
“Manana governemanta nofidinay izahay. Tsy azonay ekena ny tafika manangana governemanta,” hoy ny dokotera sady mpampianatra iray ao amin'ny Oniversiten'ny Mpitsabo 2 ao Yangon
Ny fikambanana Justice for Myanmar ihany koa dia nangataka ny olona hanao ankivy ny mpamatsy tolotra fifandraisandavitra an'ny tafika MyTel, sy ireo orinasa hafa miaraka amin'ny tafika. Nahazo vahana tao an-toerana ny fanaovana ankivy .
Ny miaramila mpanongam-panjakana no nitondra an'i Myanmar nandritra ny am-polo taonany maro, mandra-pahatongan'ny tetezamita demokratika izay nitarika ny fananganana governemanta sivily tamin'ny 2010. Resin'ny NLD tamin'ny fifidianana taona 2015 ny antokon'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana izay tohanan'ny miaramila (USDP), saingy manome antoka ny lalàmpanorenana 2008 navoakan'ny miaramila fa natokana ho an'ireo miaramila voatendry ny toerana sasany ao amin'ny kabinetra sy ny parlemanta.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...