Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2016
Niakanjo Mainty Ny Poloney Hanoherana Ny Volavolan-dalàna Manasazy Ny Fanalan-jaza
Poloney an'arivony no nizara ny sarin'izy ireo miankanjo mainty hanoherana ny lalàna manameloka ny karazana fanalan-jaza sy hanohitra ny fanamafisana ny sazy efa henjana ao amin'ny lalàna manohitra ny fanalan-jaza ao amin'ny firenena.
Sekoly Vonjimaika Ho An'Ireo Mpianatra Ao Kashmir Ho Fanohizana Ny Fianaran'izy ireo Na Dia Mbola Mitohy Aza ny Ady
“Hatramin'ny nikatonan'ny sekoly, nanatevin-daharana ity foibe ity aho mba ahafahako manomana ny fanadinako" hoy ny mpianatra iray.
Nahazo Wifi Maimaim-poana Ho An'ny Daholobe Ihany I Japana…..Kanefa Tsy Ho An'ny Mponina Japoney Izany
"Nanambara lamina hanitarana ny WIFI maimaim-poana ho an'ny daholobe manerana an'i Japana ny governemanta Japoney. Kanefa ho an'ireo mpizahan-tany ihany izany."
Côte d’Ivoire : Azo Hamarinina Ve Ny Fahatsiarovan'ireo Mpomba An'i Gbagbo Ny Fahiny?
Jeritodika amin'ny tombana ny fitondràn'i Ouattara amin'izao ankatoky ny fiverenan'ny fitsaràna an'i Gbagbo izao.
Namorona Emojis Ho Azy Manokana Ny Mponina Tompontany ao Amerika Latina
Nandray an-tànana ny famoronana emojis mifanaraka amin'ny kolontsaina samihafa izay azo ampiasaina amin'ny fifandraisana elekitronika ho fomba hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny tenin-drazany ny mpikatroka nomerika miaro ny tenin'ny tompontany manerana an'i Amerika Latina.
Fiainana Vita Vetaveta Ao Rosia
Herinandro taorian'ny fandraràn'ny mpanivana Rosiana ny tranonkala malaza indrindra ny sarimihetsika mamoafady, namaly tamin'ny alalan'ny flashmob antserasera izay manafangaroharo ny tsikera sy ny fanoherana ny mpiserasera tranonkala tsotra.
Boky Hainahandron'ilay Rosiana Gadra Politika
Very zavatra betsaka ianao rehefa mihiboka am-ponja, saingy ny zavatra iray anananao tsy lany holaniana dia ny fotoana hieritreretana momba izay mahaliana anao sy ny fanatsaràna ny talenta anananao. Mahalala tsara ny fiainana an'io ireo Rosiana gadra politika.
Sarimihetsika Indoneziana Miresaka Ny Fomba Amin'ny Fampakarambady Bugis Amin'ny Fanomezana “Dot” (Fanomezana Ampanarahana Ny Tovovavy Mivoaka Hanambady)
Sambany ny hoe horonantsary mahazatra any Indonezia no nifantoka tamin'ny Uang Panai', fomba amam-panao amin'ny fampakarambady.
Any Bolgaria, Ohatra Iray Amin'ny Fanehoan'ny Mpialokaloka Maniry Mba Te Ho Vahaolana Fa Tsy Olana
Afaka manampy amin'ny famahana ny olan'ny tsy fahampian'ny mpiasa ny mpitsoa-ponenana -raha omena ny fahafahana manao izany izy ireo.
Miaro ny “Zo Hianatra Filozofia” any an-tsekoly ny Shiliana
Tony ratsy ao anaty mason-drivodoza ny fanabeazana Shiliana sy ny fananana lojika fototra taorian'ny soso-kevitra avy amin'ny Minisitry ny Fampianarana hampiditra ny taranja filozofia ho ao anatin'ny taranja fanabeazana mahaolom-pirenena.