
Raha mitady Wifi maimaim-poana ianao ao Japana , mampahafantatra anao ny fisian'ny famandrihana Wifi ireto taratasy fametaka ireto ary hanome fanantenana anao vetivety fa ho diso fanantenana ianao avy eo. Sary nalain'ny mpisera Flickre nicolasnova tahaka . (CC BY-NC 2.0)
Nampanantena ny hamaha ny iray amin'ireo zavatra lehibe indrindra hita amin'ny fiainana maoderina ao amin'ny firenena ny governemantan'i Japana vao haingana: ny tsy fisian'ny toerana misy Wifi ho an'ny daholobe izany. Indrisy anefa ho an'ny mponina Japoney, fa natao ho an'ny mpizaha tany ihany ny vahaolana. Mbola tsy anisan'ilay tsara vintana ianao na dia mipetraka any Japana aza. Ary nahatonga ireo Japoney mpisera Twitter sasany ho diso fanantenana izany.
Raha mahazatra ny mahita toerana ahazoana Wifi any amin'ny firenena Tandrefana maro toa an'i Canada sy
Etazonia, ny ao Japana kosa, hatramin'ny vao haingana, dia azo atao ihany ny miditra amin'ny Wifi any amin'ny fisotroana kafe, ny fivarotan-dehibe sy ny toerana natokana ho an'ny daholobe raha manana fifanekena ara-pinday mifanaraka amin'izany mialoha.
Matetika tsy miaraka amin'ny fitaovana manana drafitra smartfinday ny vahiny mpitsidika an'i Japana, noho izany fanamby lehibe ny fahazoana miditra amin'ny Wifi, ary dia iray amin'ireo fanontaniana mahazatra fandre amin'ny mpizaha tany rehefa mieritreritra ny hitsidika an'i Japana ny manao kirakira hahazoana Wifi
Miasa amin'ny fanapariahana ny toerana ahafahana miditra WiFi maimaimpoana manerana ny firenena ny governemanta Japoney ao anatin'ny ny fanomanana ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020. Misy any amin'ireo toerana sasantsasany ny WiFi maimaimpoana ho an'ny daholobe amin'izao fotoana izao, ny ankamaroany dia any amin'ny seranam-piaramanidina lehibe sy any amin'ny tanàndehibe toa an'i Tokyo sy Osaka, na any amin'ny toerana be mpizaha tany toy ny ao afovoan-tanànan'i Kyoto. Sarotra ny ahitana toerana misy Wifi maimaim-poana raha toa ianao mitsidika ny toerana tsy dia tena hoe be mpahafantatra.
Tamin'ny 16 Septambra , nanambara ny governemanta Japoney fa hiara-miasa amin'ny orinasa mpamatsy fifandraisandavitra Japoney KDDI izay hamatsy ny fanomezana Wifi any amin'ny toerana manerana an'i Japana.
無料Wi-Fiが全国で登録が簡単に使えるようになったら便利ですね。
海外遠征に行く国で日本程、Wi-Fiが不便な国に行った記憶がないです。
飲食店もWi-Fi完備は早急に!ウェブがあれば雑誌置かな…https://t.co/NBgEXsOZo5 #NewsPicks— shinya aoki 9月8日新刊発売 (@a_ok_i) September 15, 2016
Tena tsara raha mora ny fisoratana anarana amin'ny fahazoana Wifi manerana ny firenena ho an'ny mpizahan-tany ao Japana. Ankehitriny, tsy misy ny olona mandao an'i Japana amin'ny fahatsiarovana ratsy rehefa miezaka mifandray amin'ny Aterineto. Tsy andry intsony ny fametrahana Wifi any amin'ny trano fisakafoanana sy ny fivarotana kafe. Tsy mila mividy gazetiboky raha toa ka misy ny fahafahana miditra amin'ny aterineto !
Mahatsiaro ho voahilikilika na izany aza ny Japoney mpisera Twitter :
これはよいサービス。我々も使えるようにして欲しい!> 無料Wi-Fi 一度登録すれば全国的に利用可能へ | NHKニュース – https://t.co/Ty8rp960YQ
— KatsumasaShirai (@KatsumasaShirai) September 17, 2016
Tsara ilay hevitra. Na izany aza tiako izy ireo hanao izany tolotra izany ho an'ny (mponina Japoney), ihany koa! Lahatsoratra: Wifi Maimaim-poana Manerana An'i Japana Amin'ny Alalan'ny Fisoratana Anarana
日本人も使えるようにしてください。テザリング使えるようになってからはかならましやけど、困ることある / 無料Wi-Fi 一度登録すれば全国的に利用可能へ (NHKニュース)https://t.co/3U3HWqkXJP #NewsPicks
— 先輩薬剤師 浦田優 (@usenpai1) September 15, 2016
Ataovy ho an'ny mponina Japoney ihany koa izany. Heveriko fa afaka hanao izany avy amin'ny findaiko aho, kanefa indraindray toa tsy tsara loatra!
Haharitra ela ny fanapahan-kevitra fanitarana ny Wifi manerana an'i Japana Tao amin'ny fifanakalozan-kevitra
iray tao amin'ny News Picks, dia niteny toy izao ilay mpaneho hevitra voalohany hoe :
[…] 日本はかなり後進国という印象を受けます。広がるといいですね。
「オリンピック」というお題目が付いた途端、あらゆることが進む状況ってなかなか凄いなと、改めて思う次第。なんなら、毎年なんらかデカいイベントやればいいと感じてしまいます。
Hatramin'izao, (rehefa tonga ny WiFi maimaim-poana ho an'ny daholobe) dia toy ny firenena miaina amin'ny lasa i Japana. Lehibe ny fanamaroana toerana ahazoana WiFi maimaim-poana (manerana ny firenena) . Noho ny Lalao Olaimpika no hany antony iresahana (ny olana maro toy ny Wifi) … Mila manao hetsika goavam-be toy ny Lalao Olaimpika isan-taona isika hahazoana fanatsarana amin'ny zava-drehetra sy amin'ny fomba rehetra eto Japana.
Na izany aza, ho an'ny mpitsidika maro an'i Japana, milaza ny momba azy ny firohotana voalohany hisera amin'ny Wifi haingam-pandeha tany amin'ny seranam-piaramanidina:
Okay, I knew Japan was the first country in the world for internet, but their airport wifi is INSANELY FAST. <3 pic.twitter.com/WdvEhm7ehg
— All-in-one Mighty (@pb_ee1) September 10, 2016
Eny ary, fantatro fa i Japana no firenena volaohany eto amin'izao tontolo izao ho an'ny aterineto kanefa tena FARAN'IZAY HAINGAM-PANDEHA LOATRA ny wifi eto amin'ny seranam-piaramanidin'izy ireo. <3 pic.twitter.com/WdvEhm7ehg