Fiainana Vita Vetaveta Ao Rosia

Adult film star Riley Reid reimagined as the ghost of pornography past. Image: Pixabay. Edited by Kevin Rothrock.

Riley Reid, kintan'ny sarimihetsika ho an'ny olon-dehibe eritreretina ho matoatoan'ny sarimihetsika vetaveta taloha. Sary: Pixabay. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Herinandro taorian'ny fandraràn'ny [mg] mpanivana Rosiana ireo tranonkala sary vetaveta roa malaza indrindra ao amin'ny aterineto, namaly tamin'ny alalan'ny flashmob antserasera indray avy eo ireo mpiserasera tranonkala tsotra izay manafangaroharo ny tsikera sy ny fanoherana. Natomboky ny vondrona mpanao gazety sy mpitantana haino aman-jery, naka sary ny tenan'izy ireo mijery lahatsary natokana ho an'ny olon-dehibe tao amin'ny PornHub sy YouPorn izany, mitantara ny zavatra hitan'izy ireo. Sady matotra sy tsy dia mitombina, ireo lahatsary fohy navoaka tao amin'ny media sosialy ary mandray anjara daholo na lehilahy na vehivavy.

Iray amin'ireo nanomboka ny flashmob, fantatra amin'ny hoe “#rospornobzor” (nadika mitovitovy amin'ny “Biraom-panjakana misahana ny Fanadihadiana momba ny Sary Vetaveta Rosiana”) i Daniil Trabun, Tale nomerikan'ny Esquire Rosiana sy lehiben'ny tonian-dahatsoratra teo aloha tao amin'ny gazetiboky Afisha. Ao amin'ny lahatsariny, novokisany miaraka amin'ny fitantarana indray ny horonantsary fohy mitondra ny lohateny hoe “Zaodahy nahatratra ny Anabaviny miaraka amin'ny Filahiana Kilalao  Ngezabe ary avy eo Nanampy Azy” ny mpijery ny Facebook-ny

Efa ho 12.000 ny isan'ny mpijery, iray amin'ireo malaza indrindra tamin'ny fizarana “#rospornobzor” ny fitantaran'i Natalia Isomina indray ny fakan-tahaka horonantsary vetaveta tamin'ny lalao finday lalao Pokemon Go. Na dia tsy miteny Rosiana aza ianao, mety hiala voly kokoa amin'ny fihetseham-pony:

Mahatonga ny fampisehoana ho adaladala ny fomba fitantarana ny sarimihetsika vetaveta, saingy matotra kokoa i Trabun mikasika ny dika ara-tsosialin'ny flashmob:

На государственном уровне насаждается ханжеская стерильная и консервативная позиция, которая при этом никак не объясняется — дискуссии нет. Эта нездоровая двойственность выражается и в отсутствии нейтрального лексикона, которым мы про секс можем говорить.

Miparitaka eo anivon'ny fanjakana ny fomba mihatsaravelatsihy,  tsy mamokatra, sy mitàna ny nentim-paharazana, ary tsy misy ny ezaka natao hanamarinana izany, tsy misy ny adihevitra. Maneho ny tenany ao anatin'ny tsy fisian'ny voambolana tsy mitanila hiadian-kevitra momba ny firaisana ara-nofo ity fifanoherana tsy mahasoa ity.

Tsy ny rehetra, na izany aza, no mankasitraka ny flashmob. Ohatra, tsy manaiky hanasokajy ny sary mamoafady ho firaisana ara-nofo i Tatyana Nikonova, mpanoratra malaza mpiaro ny vehivavy sady bilaogera, ary miampanga ny “#rospornobzor” ho ezaka tsy sahaza amin'ny famoronana “voambolana tsy mitanila.”

Nahatonga ireo fihetsika kinga sasany mampihomehy avy hatrany teo amin'ny Vkontakte, tambajotra sosialy antserasera lehibe indrindra ao amin'ny firenena, izay nanome pejy ofisialin'ny vondrona ho an'ny PornHub tampoka ny hetsiky ny governemanta Rosiana miady amin'ny PornHub sy YouPorn, na dia novainy aza ny lokon'ny famantarana “voamarina” an'ny PornHub mba hampitoviana ny fango miloko laoranjy sy maintin'ny tranonkalan'ny sarimihetsika vetaveta. Somary lasa lavitra avy eo ny Vkontakte ary nanova ny lokon'ny PornHub ho loko raisina raha tsy manao safidin-doko manokana rehefa mitroka vontoatin-dahatsary natokana ho an'olondehibe ao amin'ny tranonkala ny mpiserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.