Namorona Emojis Ho Azy Manokana Ny Mponina Tompontany ao Amerika Latina

Emojis depicting Mapuche culture. Republished with permission.

Emojis mampiseho ny kolontsaina Mapuche . Nahazoana alàlana.

Nandray an-tànana ny famoronana emojis mifanaraka amin'ny kolontsaina samihafa izay azo ampiasaina amin'ny fifandraisana elekitronika ho fomba hampiroboroboana ny  kolontsaina sy ny tenin-drazany ny mpikatroka nomerika miaro ny tenin'ny tompontany manerana an'i Amerika Latina.

Tao anatin'ny roa taona farany,  namaly ny antso hanaovana emojis amin'ny faha samihafana bebe kokoa ny orinasa teknolojia toy ny Apple sy ny Twitter ary nanome ny safidy ho an'ireo mpisera amin'ny alàlan'ny fifidianana ny volon-koditra samy hafa. Na dia teo aza ny fampiharana ratsy sasany tamin'ireo emojis vaovao, dia nahazo tehaka ny fitambarany ary efa nisokatra ny fangatahana fampidirana ny kolontsaina sy ny faritra hafa, toy ny fanangonan-tsonia mba hametrahana ny safidy hijab.

Anisan'ireo izay te-hahita ny kolontsainy hita taratra amin'ny emojis ireo vondrona tompontany, nandray andraikitra namorona andian'emoji ho azy manokana ireo mpisera aterineto sasany, fa tsy nahandry ireo orinasa mba hampiditra azy ireo ihany.

Mpikatroka nomerika manohana ny fitenin-drazany Huastec (fantatra koa amin'ny hoe Tének) i Luis Padhum Flores, izay avy any amin'ny fanjakana San Luís Potosí,  Meksika. Anisan'ny iray amin'ireo tetikasany amin'izao fotoana izao ny famoronana emojis maromaro mampiseho endrik'olona manao saron-doha sy satroka, izay nozarainy tao amin'ny kaontiny Facebook .

Emojis depicting Huastec culture. Republished with permission.

Emojis mampiseho ny kolontsaina Huastec . Nahazoana alàlana.

Niara-niasa tamin'ny mpanakanto Shiliana Fiestoforo ny mpampianatra Mapuche an-tsekoly Victor Carilaf tamin'ny fisantarana ny Kimeltuwe , izay nampiroborobo ny fiteny Mapudungun ampiasain'ireo mponina Mapuche any Shily sy Arzantina ary efa namorona tetikasa ahiatna fandravahana an-tsary mampiseho ny kolontsaina Mapuche amin'ny fanasongadinana ny fampitana ny fiteny ao an-toerana.Ahitana ny endrika emojis sy olona miakanjo nentim-paharazana ny sasany amin'ireo fandravahana an-tsary, izay andrisihan'izy ireo ny mpakafy 112.000 ao amin'ny Facebook hampiasa izany ao amin'ny seraserany.

Emojis depicting Mapuche culture. Republished with permission.

Emojis mampiseho ny kolontsaina Mapuche . Nahazoana alàlana.

Miaraka amin'ny tetikasa roa, mbola mitady ny fomba hampidirana tanteraka ny emojis ao amin'ny sehatra famelan-kafatra isan-kazazany ny mpamorona. Amin'izao fotoana izao, ampiasain'izy ireo ho sary na taratasy fametaka izay azo trohana, amboarina (ahitsy) ary zaraina amin'ny lasitra jpegs na lasitra sary hafa ao amin'ny fanehoan-kevitra na ny hafatra ny emojis.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.