Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2014
Fantaro Ny Cloghers: Vehivavy Nomena Tosika Ary Mibilaogy Ho An'ny Zon'Olombelona-
Fantaro ireo Cloghers sasantsasany vao avy nahazo fanofanana ary avy amin'ireo faritra rehetra manerana an'i Kambodza, izay nianatra sy niasa taminà sehatra maro samihafa.
Kashmir Niatrika ‘Herisetra Ratsy Indrindra Tao Anatin'ny Folo Taona” Teo Amin'ny Indiana sy Ny Pakistaney
Nantsoina ho "ratsy indrindra tao anatin'ny taom-polo" ny fitroarana farany tao amin'ny LOC, ary maro ny matahotra fa mety hanimba ny fampitsaharana ady 2003 manontolo izany.
Fanontaniana 6 Tsy Sahinao Mikasika An'i Kamerona
Tantarain'i Gaelle Tjat ao Yaoundé ny Kamerona-ny
Niala Tsiny Ny Praiminisitr'i Tailandy Raha Nilaza Ny Fanaovana Bikinis Ho Mampiakatra Ny Tahan'ny Famonoana Mpizaha Tany
Noterena hanao teny fialantsiny ny Praiminisitr'i Tailandy nohon'ny hadalàna nataony izay maneho fanambaniana olona taorian'ny famonoana teratany Britanika 2 mpizaha tany.
Yadiko Uruk – Zanaky ny Paraky, ny Kôka Ary Ny Mangahazo Malefaka
Vaovao farany momba ny tetikasa Rising Voices ao Amazonia, Yadiko Uruk + Children of Yadiko [Zanaky ny Yadiko] , miorina ao Kolombia (Ankizin'ny Yadiko, miorina ao Kolombia) ity lahatsoratra ity
Mahatsiaro An'i Mahsa Shekarloo, Nitondra Voalohany Ny Aterineto Tany Irana Ary Mpitaky Ireo Zon'ny Vehivavy
Maty ny 5 Septambra 2014, nodidinin'ireo fianakaviany, i Mahsa Shekarloo, mpikatroka mafana fo miaro ireo zon'ny vehivavy Iraniana ary mpanorona ny Bad Jens, gazety hita ety anaty aterineto miaro ny vehivavy. Manome voninahitra ny fiainany isika ato amin'ity lahatsoratra ity.
Nahoana No Mety Hampidi-kizo Anao Ny Resaka Pizza Ao Thailandy
Nanjary teny ankamantatra entina ilazàna ny Andinin-dalàna laharana-112 momba ny heloka bevava (fanevatevana mpanjaka) ny laharana fiantsoana ny Orinasan'ny Pizza 1112
Mitady Kamiao Tafondron-drano Roa Hovidiana Ny Polisy Kambojiana Hanoherana Fihetsiketsehana
Miahiahy ireo mpikatroka ny zon'olombelona fa hampiasaina hamoretana ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo ireo kamiao mpitondra tafondron-drano itadiavana tolo-bidy ao Kambodza.
Bilaogy Tumblr: Ireo Mampihomehy Amin'ny Fampielezan-kevi-pifidianana Ao Tonizia
Iza no tsy hihomehy amin'ny hoe "ny fadiranovana, fanantenana hoan'ny taranaka" na ny antoko mitady "hampanao hasoavana ny andrim-panjakana fiarovana sy ny fitsarana ary ny fitantanana” ?
Trinidad: Maty Teo Amin'ny Faha 84 Taonany i Geoffrey Holder, Mpilalao Sady Olon'ny Fahateraham-baovao
Notsiahivina ho iray amin'ireo mpanakanto lehibe indrindra izay novokarin'i Trinidad i Holder, ary mpikambana lehibe ao amin'ny vanim-potoana volamenan'ireo mpilalao avy tamin'ny taona 1950.