
Manao fampielezan-kevitra amin'ny ‘ankehitrinin'ny fitiavana’ antoko politika iray ao Tonizia
Niara-nanangona ireo fotoanan'ny fifidianana mampihomehy sy mahatsikaiky indrindra tao amin'ny bilaogy Tumblr antsoina hoe #TnElecFails ireo mpiserasera Toniziana.
Nanomboka tamin'ny 4 Oktobra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao Tonizia. Mpifidy voasoratra maherin'ny 5 tapitrisa no antsoina hifidy izay ho solombavambahoaka 217 ao amin'ny antenimieram-bahoaka amin'ny 26 Oktobra.
Mpifaninana roa goavana amin'ity fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity ny Hetsika Ennahda Islamista, izay nandresy tamin'ny fifidianana taona 2011, sy ny Nidaa Tounes, nitsangana tamin'ny taona 2012, tantanin'i Beji Caid Essebsi, 86 taona, izay niaraka tamin'ny fitondran'olon-tokan'i Habib Bourguiba sy Zine el-Abidin Ben Ali.
Saingy manoloana ny isan'ireo lisi-pifidianana mihoatra ny 1300 sy ny isan'ny kandidà tombanana ho 13 000, maro ireo zavatra mampihomehy mikasika ity fifidianana ity, anisan'izany ny fango (logo), ny anarana sy ny teny filamatra hita amin'ny lisi-pifidianana.
Indreto sary sasany:

Nipetaka tamin'ny rindrina akaikin'ny lisea ity lisitra avy amin'ny tsy miankina ity ‘Tiako mba hadio ny fireneko’, tsy nahitana ny sarin'ireo mpifaninana izany, ary hoy ny fanazavana tao anatiny: “Tsy midika inona ny sarinay, ny zava-dehibe dia manatanteraka ny fampanantenanay anareo”. Tsy naharitra ela ny tsy fisian'ny sary tamin'ilay lisitra, ary hoy ny olona iray nanampy ilay fanazavana hoe: “Tsy mila ny sarinareo izahay na dia izany aza”.
![Scissors is the logo of the Tunisian party because they want to "circumsize the security [institution], the judiciary and the administration"Most probably, they meant to purge or cleanse from corruption. But, they opted for "circumcise".](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/10/scissors.png)
Hety no fangon'ity antoko Toniziana ity satria te “hamora (manao hasoavana) ny fiarovana [andrim-panjakana], ny fitsarana ary ny fitantanana” izy ireo. Angamba tokoa, te hanadio na hamafa ny kolikoly izy ireo. Ary ny “famorana” no nofinidin'izy ireo.
Raha ny marina, tsy safidy loatra ilay izy. Iza no tsy hihomehy amin'ny hoe “ny fadiranovana, fanantenana hoan'ny taranaka” na ny antoko mitady “hamora ny andrim-panjakana fiarovana sy ny fitsarana ary ny fitantanana” ?
“Une journée sans rire est une journée perdue” — devise de nos politiciens qui l'appliquent pour le bien du peuple.. #tnelec2014
— Fhtagn! (@Fhtagn) October 8, 2014
“Andro very maina ny andro tsy misy tsikitsiky”, izany no teny filamatra ampiasain'ireo mpanao politikantsika ho fanasoavam-bahoaka.
Saingy mandritra izany, maneho ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny kilasy politika ao Tonizia izany famazivaziana izany, izay tsy mba nisy zava-dehibe vita hamaliana ny hetaheta ara-tsosialy sy ara-toekarenan'ny Toniziana efa-taona taorian'ny fihonganan'ny fitondran'i Ben Ali.
Ohatra amin'izany ny fihetsiketsehana nataon'ny vondron'olona manana mari-pahaizana tsy an'asa tao Metlaoui, tanàna mahantra ao amin'ny farintanin'i Gafsa ao atsimo-andrefan'i Tonizia. Napetak'izy ireo amin'ny rindrina voatokana hoan'ny afisim-pifidianana ny diplaoman'izy ireo tany amin'ny Oniveriste miaraka amin'ny soratra hoe “amidy”.