Trinidad: Maty Teo Amin'ny Faha 84 Taonany i Geoffrey Holder, Mpilalao Sady Olon'ny Fahateraham-baovao

Geoffrey Holder in "Live and Let Die" (1973). YouTube screen capture.

Geoffrey Holder tao amin'ny “Live and Let Die” (Velona ary Mamela ho Faty) (1973). Dikasary tao amin'ny YouTube.

Matin'ny koho-davareny ny Alatsinainy teo i Geoffrey Holder, lehilahin'ny Fahateraham-baovaon'ny Indiana Andrefana. 84 taona izy. Fanta-daza tsara amin'ny maha mpilalao sarimihetsika azy i Holder, fa tsy nisy fetrany mihitsy ny fahaizany mamorona, mpandihy ihany koa izy, mpanao dihy mirindra, mpanome endrika, tale ary mpanao hosodoko.

Lehibe tany amin'ny Seranan'i EspanaTrinidad i Holder, ary anatin'ny tontolon'ny seho an-tsehatra navitribitrika tokoa, izay nisy ny zokiny lahy ihany koa, Boscoe Holder. Talohan'ny nifindràny ho any Etazonia, nianatra tao amin'ny Queen's Royal College (Sekolin'ny Mpanjaka) i Holder, izay niraisany dabilio tamin'ilay nahazo ny loka Nobel V.S. Naipaul. Nanambady nandritra ny maherin'ny enim-polo taona tamin'ilay mpandihy sy mpilalao an-tsehatra Carmen Delavallade i Holder, izay nanànany zanaka lahy iray, Leo.

Lasa nalaza be i Holder tamin'ny fisehoany an-tsehatra tena nahasarika ny media, tamin'ny filalaovany ny Baron Samedi, olona ratsy toetra tao amin'ny sarimihetsika James Bond Live and Let Die, ary tamin'ny filalaovany an'i Punjab tao amin'ny sarimihetsika Annie. Teo an-tsehatra, nahazo ny loka Tony award i Holder, tamin'ny nitantanany ny The Wiz ny taona 1975. Mbola hita ankehitriny ny asany: ilay sarimihetsika Carmen and Geoffrey, izay namaritra ny asa mahavariana an'i Holder sy ny vadiny, no nahazo ny lokan'ny Fanadihadiana Tsara Indrindra ny taona 2009, tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika tao Trinidad sy Tobago.

Tao amin'ny Facebook, nizara ny fahatsiarovana ireo andro faran'ny rainy i Leo Holder :

Avy amin'ny sarom-bava fisintonana rivotra, manomboka mamorona ny [sic] gadony manokana izy. Tsy fantatro tsara izay zavatra henoko, jereko ny vavany mihetsiketsika. Manakaiky aho mba handre: ‘2, 3, 4….2, 3, 4…’ Manisa izy! Mihamafy io, ary amin'ny feony[sic] mafy indrindra sahala amin'ny firaondraonan'ny liona, miteny izy avy eo hoe ‘Tanana, 2, 3, 4, Mihodina, 2, 3, 4, Mironjona, 2, 3, 4, Ambany, 2, 3, 4…’

Nahatsiaro an'i Holder ilay mpanao taokanto ary mpikatroka mafàna fo Rubadiri Victor, anisan'ireo mpanakanto tsara indrindra novokarin'i Trinidad, sady mpikambana matanjaka tao amin'ny vanim-potoana volamenan'ireo mpanakanto avy tamin'ny taona 1950: 

IRAY AMIN'IREO OLOM-PIRENENA LEHIBE INDRINDRA HO ANTSIKA- MANDRAKIZAY!!! GEOFFREY HOLDER- Mandria Am-piadanana r'ilay Mahery. Nahazo loka “Tony Awards” 2, tamin'ny The Wiz ny taona 1974. Lehilahy mainty hoditra voalohany nahavita izany: tokony nahazo 2 tamin'ireo 4 ny ‘Timbuktu’ tamin'ny taona manaraka, fa tsy hanome izany mihitsy izy ireo satria tao roa mifanaraka io. Niditra ho Karibeana sy Mainty hoditra voalohany mpilalao sarimihetsika – Dr No, Boomerang, Annie, Charlie ary ny Chocolate Factory, The Little Mermaid… Bokin-tsary voalohany ahitàna lehilahy mainty hoditra miboridana miaraka amin'ny bokiny ‘Adam’. Mpanao dihy mirindra namela dindo ary niaraka nandihy tamin'i Alvin Ailey sy niaraka tamin'ny asany manokana. Lehibe noho ny fiainana. Mifandray amin'ireo endrika indostrian'ny Fampialàm-boly sy Famoronana rehetra. Izay tsy noraharahiantsika tanteraka akory. Tsy manamarika fotsiny ny fahafatesan'ny olona iray goavana ary ny Fotoanan'ny Manampahaizana Afrikana sy ny Famoronana ny fahalasànany – fa ihany koa mampahatsiahy antsika mazava be ihany koa ny tsy fahombiazantsika amin'ny maha-sivilizasiôna iray antsika. Hoe olona Manampahaizana sahala amin'iny dia nariantsika ary tsy mba nampiasain'ny firenena izay tokony nitaky indrindra ny talentany, izany no fahaverezana lehibe indrindra fantatro…

Tamin'ny nahenoana ny vaovaon'ny fahafatesan'i Holder, nanome voninahitra azy ireo tranainy teo amin'ny teatra ao Trinidad sy Tobago:

 Maty omaly i #GeoffreyHolder, tena kintan'i Brodway. Handry ampiadanana anie izy.

— Mervyn de Goeas (@madego) 6 Oktonbra 2014

 

Nampahatsiahy an'i Holder tamin'ny asany ara-barotra i Mike Bernard . Nanomboka tamin'ny fandraketany ny dokambarotra “7Up” i Holder, ny faramparan'ny taona 70, voalohandohan'ny taona 80:

Nanazava i Bernard:

Sahala amin'ireo maro, nampahafantarina voalohany an'i Geoffrey Holder aho, tao amin'ireo dokambarotra 7up Uncola. Amin'ny maha-Trini izay lavitra ny tany niaviany, faly ny amin'ny fitazonany ny maha Trinidadiana azy aho. Mamangy amin'ny fahoriana ny fianakaviany.

Ao amin'ny Twitter, niaiky i Eric Haywood fa nihoatra lavitra noho ireo dokambarotra ny fahaizan'i Holder, fa nataony ho azy samirery ihany izy ireny:

 Mihoatra lavitra noho ireny dokambarotra 7Up tamin'ny faramparan'ny taona 1970 ireny i #GeoffreyHolder, fa NIRONJONDRONJONA tamin'ny akanjo fotsiny izy. http://t.co/1mqBqGhp5l

— Eric Haywood (@Eric_Haywood) 6 Oktobra2014

Nanantena i Desiree Edwards fa haharitra ny lova navelany::

Very lehilahy manana talenta maro mahagaga ny faritra sy izao tontolo izao. Ny feony, ny tsanganany, ny fihetsiny rehefa mandihy, ny kanto-ny!!! Mba hisidina ka hahakitika ireo andian-taranaka amin'izao vanim-potoanantsika izao anie ny lovany sy ny fanahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.