Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jona, 2022
Mpitarika ara-panahy Mayana nampagaina ho ‘mamosavy’ tao Goatemalà, navotsotra avy eo
Nampangaina ho mamosavy i Adela Choc Cuz, manampahefana ara-drazana iray sady mpikambana ao amin'ny fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao El Estor, ary navotsotra taty aoriana.
Fiaraha-mientana hisian'ny hoavy mampiaty kokoa
Fifaninanana, hirika, fampiatiana nomerika, ary maro hafa!
Kolombia, nisara-bazana ary miatrika fiovana lalina amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy
Azo inoana fa sambany mety hahazo ny birao ambony indrindra eo amin'ny tantara Kolombiana ireo mpifaninana amin'ny elatra havia amin'ny 19 Jona.
Efa misy ny fampiasa (app) ho an'ny boky Afrikana amin'ny teny Portiogey
Noho ny fanohanan'ny Fondation Miles Morland (Londres) sy ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Mozambikana momba ny Fandalinana Ampiharina (Nampula) no nahatontosana ny fangatahana.
Andro Erantany ho an'ny Ranomasimbe, an-tsary avy any Trinidad sy Tobago
Amin'ny Andro Erantany ho an'ny Ranomasimbe 2022, izay ny fanomezana aina indray no tanjona, dia mampahatsiahy antsika ny antom-pisian'ny ranomasimbe sy ny hatsarany ireo sary, izay manentana ny filàna hetsika iombonana hiarovana amim-pahombiazana azy ireny.
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Silvia Cebolla, mpikatroka ho an'ny fiteny Aragonezy
Avy any Aragón, Espaina, nampitomboin'i Silvia Cebolla ny fahitàna ny fiteny aragonezy, amin'ny maha-mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra azy, sy maha-mpikarakaraka sakafo "vegan" ao amin'ny YouTube, ary amin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa ety anaty aterineto ho fampiroborobana ilay fiteny.
Miangavy ny mba tsy hiantsoana ny miaramilan'i Myanmar ho ‘Tatmadaw’
"Miangavy amim-panetren-tena amin'ireo mpamaky iraisampirenena aho mba hiezaka hahazo ny zava-misy amin'izao fotoana. Ary ny dingana voalohany amin'ny fanaovana izany dia ny fampiasana ny voambolana antonona ny miaramila."
Ilay fampiatiana ara-paritra tsy mahomby amin'ny Vovonan'i Amerika Iray Manontolo
"Amin'ny fotoana ilàna azy indrindra no rava ny fampiatian'ny kaontinanta"
Kameroney Mpikatroka nahazo ny lokan'ny Zon'olombelona RFK 2022
Nomem-boninahitra noho ny asany maharitra dia maharitra amin'ny fiarovana ny sehatra sivika sy ny demaokrasia manerana an'i Kamerona sy Afrika Afovoany ny asan'ireto mpikatroka avy amin'ny faritra miteny anglisy sy miteny frantsay avy ao Kamerona ireto.
Herotra gilasy mampiseho ny endrika mifanohitra hita amin'ny sivana “4 Jona” ao Shina
Fifanoheran-javatra iray no avoitran'ny fanivànana an'i Li Jiaqi: raha misy olona iray te-hisintaka lavitra ireo lohahevitra mafampàna ara-pôlitika, dia tsy maintsy ianarany ireo rehetra lohahevitra voaràra.